COMMUNE RURALE TALATA VOLONONDRY, NANDRAY NY FIVORIAM-BEN’NY SMMEC

329 0

Notanterahina ny sabotsy faha 16 Desambra 2023 lasa teo teny Talata volonondry ny Assemblé Général Ordinaire NY SMMEC ny, ( AGENCE  TAMBATRA.)

Ny SMMEC, dia fanafohizana ny hoe Société Malagasy Mutualiste d’Epargne et de Crédit, 

Maro no lohahevitra nodiniana tao ;

  • toy ny tatitra ara bola ny taona 2022 (vina 2024) ,
  • fankatoavana ny vokatry ny vokatry ny fitantanan’ny olom-boafidy sy ny maro tsy voatanisa etoana

Fa ankoatr’ireo tatitra isan-karazany ireo, dia tamin’io fotoana i ihany koa no nitondran’ireo Mpikambana ny hetaheta sy ny maharary azy ireo teo anatrehan’ireo Mpikambana marobe.

velo-taraina koa izy ireo noho ny fanemorana lava nyfotoama-pifidianana hatrany , satria fantatra fa tokony  natao ny Volana Novambra 2023 lasa  teo kanefa dia nahemotra, ary nahemotra hatrany. Nohamarin’ireo nandray fitenenana rehetra anefa fa efa tapitra tanteraka ny fotoam-piasan’ireto Mpitantana ireto, manoloana izany indrindra  dia mitaky ny hisian’ny  hanaovana ny fifidianana haingana arak’izay azo hatao izy ireo.

Manoloana an’io fitazaroan’ny tsy fisian’ny fifidianana io, dia lasa miteraka tsy fahatokisana an’ireto Mpitantana ireto ireo maro an’isa ato anatin’ny fikambanana,vokany somary niteraka savorovo kely nandritra ny fotoam-pivoriana izany.

Nilamina ihany mo any raharaha rehefa ela nifampiresahana ny andaniny sy ny ankilany.

Nirava ny fivoriana rehefa nipaika ny tamin’ny 2.30 tolak’andro, amin’ny ankapobeny nilamina iny fivoriana iny. Vita avokoa ny tatitra nokasain’ireo Birao Mpitantana natao.

Nangonin’i ‘Lay Mahintsy

Related Post

𝐍𝐈𝐓𝐑𝐀𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀 𝐋𝐎𝐙𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐅𝐀𝐌𝐎𝐈𝐕𝐎𝐈𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐋𝐀𝐋𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀 𝐅𝐀𝐇𝐀 𝟕 – 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐀𝐋𝐀𝐇𝐘

Posted by - janvier 14, 2024 0
𝐍𝐈𝐓𝐑𝐀𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀 𝐋𝐎𝐙𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐅𝐀𝐌𝐎𝐈𝐕𝐎𝐈𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐋𝐀𝐋𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀 𝐅𝐀𝐇𝐀 𝟕 – 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐀𝐋𝐀𝐇𝐘 — Taxi brousse mpitatitra olona avy any Ambositra hankany Fianarantsoa io atoandro…

PORT-BERGE | NANGATAHIN’NY VAHOAKA HIROTSAKA HO DEPIOTE Dr ADOLPHE FIAREMA

Posted by - mars 17, 2024 0
𝐏𝐎𝐑𝐓-𝐁𝐄𝐑𝐆𝐄 | 𝐍𝐀𝐍𝐆𝐀𝐓𝐀𝐇𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐕𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀 𝐇𝐈𝐑𝐎𝐓𝐒𝐀𝐊𝐀 𝐇𝐎 𝐃𝐄𝐏𝐈𝐎𝐓𝐄 𝐃𝐫 𝐀𝐃𝐎𝐋𝐏𝐇𝐄 𝐅𝐈𝐀𝐑𝐄𝐌𝐀 𝐓𝐄𝐎 𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐎𝐕𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐀𝐓𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐀𝐇𝐀 𝐁𝐄𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐙𝐘. Manana zo…