๐— ๐—ฒ๐—ป๐—ฎ๐—ฏ๐—ฒ : ๐— ๐—ถ๐˜๐—ผ๐—ต๐˜† ๐—ป๐˜† ๐—ณ๐—ฎ๐—ป๐—ผ๐—ณ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ต๐—ผ ๐—ฎ๐—ป’๐—ป๐˜† ๐—บ๐—ฝ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ผ ๐—ด๐—ฎ๐˜‡๐—ฒ๐˜๐˜†, ๐—ป๐—ถ๐˜๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ๐—ธ๐—ฎ ๐—ณ๐—ฎ๐—ป๐—ผ๐—ป๐˜๐—ฎ๐—ป๐—ถ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐˜๐˜€๐˜† ๐—ณ๐—ฎ๐—ป๐—ฑ๐—ฟ๐—ฎ๐—ถ๐˜€๐—ฎ๐—ป’๐—ฎ๐—ป๐—ท๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ๐—ป’๐—ป๐˜† ๐—บ๐—ฝ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ผ ๐—ด๐—ฎ๐˜‡๐—ฒ๐˜๐—ถ๐—ป’๐—ป๐˜† ๐—ง๐—ฉ ๐—ฃ๐—น๐˜‚๐˜€

31 0

Taorian’ny fahavitan’ny fampiofanana notanterahina tao amin’ny Faritra Matsiatra Ambony, Vakinankaratra ary Itasy, ny 21 ka hatramin’ny 24 Aprily 2026, dia nitohy tao amin’ny Faritra Menabe indray ny rodorodon’ny fampiofanana ho an’ny mpanao gazety sy ireo mpianatra ho mpanao gazety, nokarakarain’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina (MSK).

Ao anatin’ny programan’ny ministera ity hetsika ity, izay mikendry ny hanamafisana ny fahaiza-manao sy ny maha matihanina ireo mpanao gazety manerana an’i Madagasikara. Tafiditra ao anatin’ireo nisitraka izany ireo mpanao gazety avy amin’ny haino aman-jery miankina sy tsy miankina eto amin’ny Faritra Menabe, ka natomboka tao Morondava ny 1 Jolay 2026 ny fiofanana.

Niara-nikarakara sy nampiantrano ny hetsika ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Menabe tarihin’ny Talem-paritra Joe Kamamy Mondestin. Ny Departemanta misahana ny Fiofanana (DEFOM) eo anivon’ny ministera kosa, tarihin’ny Tale Ratsimbazafy Ferdinand, niaraka tamin’ny Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Analamanga Ratsimandresy Tiana ary ny ONDH, no niandraikitra ny fanatanterahana ity fampiofanana mitety faritra ity.

Nifantoka tamin’ny fanavaozana ny fomba fanoratana sy fitateram-baovao, ny fanamarinana vaovao, ny fampiasana ny teknolojia nomerika sy ny Fahaizana Artifisialy (IA), ary ny fampahafantarana ireo lalร na mifehy ny asa fanaovan-gazety sy miaro ny mpanao gazety ny fampiofanana. Tanjona amin’izany ny hanatsarana hatrany ny kalitaon’ny asa fanaovan-gazety sy ny fanarahana ny fenitra matihanina manoloana ny fiovan’ny tontolon’ny serasera.

Anisan’ireo nandray anjara tamin’ity fiofanana ity ihany koa ireo mpanao gazetin’ny Feon’ny Demokrasia Malagasy eto Menabe, izay nanamafy ny fahavononany hanohy hanatsara ny kalitaon’ny asa fanaovan-gazety sy hanolotra vaovao marina, voamarina ary manaraka ny etika sy ny fenitra matihanina.

Nandritra ity fiofanana ity anefa dia nisy tranga iray nahasarika ny sain’ireo mpiofana maro. Araka ny fanamarihana nataon’ireo mpandray anjara, dia tsy nahazo nanatrika ny fiofanana ireo mpanao gazetin’ny TV Plus, ka niteraka fanontaniana sy resabe teo anivon’ireo mpiofana izany.

Raha ny vaovao sy ny fanadihadiana nataon’ny Feon’ny Demokrasia Malagasy, dia misy ny filazana fa fanapahan-kevitra noraisin’ny ekipa avy amin’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina tonga avy any Analamanga no nahatonga izany. Tsy mbola nahazo fanazavana na fanambarana ofisialy avy amin’ny ministera na ireo tompon’andraikitra voatonona anefa ny Feon’ny Demokrasia Malagasy tamin’ny fotoana namoahana ity lahatsoratra ity. Vonona hatrany izahay hamoaka izany fanazavana izany raha vao misy, ho fanajana ny fitsipiky ny fifandanjana sy ny zo hamaly.

Amin’ny ankapobeny, maneho ny finiavan’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina hanatsara ny kalitaon’ny asa fanaovan-gazety manerana ny Nosy ity fampiofanana ity. Etsy ankilany kosa, ny fanazavana mazava momba ny antony tsy nahafahan’ny mpanao gazetin’ny TV Plus nandray anjara dia antenain’ireo mpisehatra amin’ny haino aman-jery sy ny mpanara-baovao, ho fanamafisana ny mangarahara sy ny fitovian-jo eo amin’ny sehatry ny asa fanaovan-gazety.
โœ๏ธ RA PA

Related Post

SEKOLY AMBONY KATOLIKA ASJA MORAMANGA

Posted by - octobre 1, 2024 0
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy n’y Alatsinainy faran’ny volana septambra teo ny ยซย universitรฉ catholique ASJA Moramangaย ยป, sekoly Ambony eo ambanin’ny fiahian’i…