Groupement de la Gendarmerie Nationale de l’Amoron’i Mania

48 0
🇲🇬Compagnie de la Gendarmerie Nationale de l’Amoron’i Mania
👮Nanao be midina ny Zandarimaria izay miasa eto Ambositra ny alin’ny 10 septambra 2026,izay notarihin’ny Kolonely Komandin’ny Vondro-Tobi-pileovana sy ny Kapiteny Komandin’ny Vondro-Tobi-paritra ,nanomboka tamin’ny 09 ora alina hatramin’ny 01 ora maraina teto an-tampon-tanànan’ Ambositra.
👮Izao no natao dia ho fitsirihina ireo elak’elan-trano rehetra teto Ambositra sy fisavana ireo olona sy fitaovam-pitanterana rehetra mivezivezy amin’ny alina sy fanakatonana ireo toerana fisotrona mety ho fialokalofan’ireo olon-dratsy.
👮Ity Asa ity dia tafiditra ao anatin’ny fampandrian-tany izay ataon’ny Zandarimaria eto Ambositra izay vinavinaina mandritry ny 30 andro eo.
👮Entanina hatrany ny rehetra mba ho mailo sy hitondra kara-panondro na taratasy hafa manamarina fa manara-dalana ianao refa mandeha alina.
👮Nomena fampianarana sy fampitandremana ireo tsy nanaradalana nandritry ny fisafoana ho an’ny androany.
Ireto ny laharana afahanao miantso mivantana raha misy tranga mampiahiahy anao
📞CDT GPT: 0340570101
📞CDT CIE : 0340570103
📞CB AMBOSITRA : 0340570104
*Zandarimaria miaro ny Vahoaka sy ny fananany*
Groupement GN Amoron’i Mania
FDM Amoron’i Mania

Related Post

𝗛𝗖𝗗𝗗𝗘𝗗 : 𝗩𝗢𝗔𝗙𝗜𝗗𝗬 𝗝𝗮𝗺𝗲𝘀 𝗥𝗮𝗺𝗮𝗿𝗼𝘀𝗮𝗼𝗻𝗮 𝗛𝗜𝗦𝗢𝗟𝗢𝗧𝗘𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗠𝗣𝗔𝗡𝗔𝗢 𝗚𝗔𝗭𝗘𝗧𝗬

Posted by - février 2, 2024 0
 𝗛𝗖𝗗𝗗𝗘𝗗 : 𝗩𝗢𝗔𝗙𝗜𝗗𝗬 𝗝𝗮𝗺𝗲𝘀 𝗥𝗮𝗺𝗮𝗿𝗼𝘀𝗮𝗼𝗻𝗮 𝗛𝗜𝗦𝗢𝗟𝗢𝗧𝗘𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗠𝗣𝗔𝗡𝗔𝗢 𝗚𝗔𝗭𝗘𝗧𝗬 Tontosa, ny alakamisy 1 febroary 2024, ny fifidianana ny solotenan’ny Ordre…