BORIZINY : TAFAKATRA 1000 AR NY RANO IRAY LITATRA. MISOTRO SY MAMPIASA RANO TSY AZO ANTOKA NY VAHOAKA

344 0

Efa ho roa volana latsaka no niaina tao anaty tsy fahampian-drano ny mponin’i Port-Bergé. Ritra ny vovon-drano, simba ny milin’ny jirama. Misy ny rano fa tsy azo antoka ny fahadiovany.

Voatery maka rano any amin’ny 5 na 7km miala tanàna ireo izay manana fahafahana hanaovana izany. Mividy amin’ny 500 Ar ka hatramin’ny 1.000 Ariary iray bidao 20 litatra litatra kosa ho an’izay tsy manana fitaovana hitaomana rano sy tsy misy fotoana hakana azy.

Tapatapaka matetika koa ny jiro avy amin’ny orinasa Jirama. Tamin’ity herinandro ity dia nitsahatra tanteraka rahateo ny famatsiana ny herinaratra. Mbola tamin’ny alahady no nisitraka hazavana farany ny mponina. Etsy ankilany tsy mitsaha-miakatra ny hafanana ka tsy maintsy hisy hisotro rano avy nampangatsihiana (eau glacée).

1000 Ariary no vidin’izany raha iray litatra ary 2000 Ariary kosa raha iray litatra sy sasany. Ireo izay mampiasa angovo avy amin’ny herin’ny masoandro no mbola manana rano mangatsiaka amidy io.

Hita fa tsy zakan’ny vahoaka izao fahasahiranan mihoapampana izao fa tahaka ny mitomany any efitra izy ireo mitaraina. Ny rano koa tsy maintsy ilaina sotroina, anadiovana, idiovana ka alavirina ny saina aloha ny fieritreretana ny fahadioavana.

Nangonin’i Gabin Eloi

Related Post

𝗦𝗢𝗟𝗢𝗠𝗕𝗔𝗩𝗔𝗠𝗕𝗔𝗛𝗢𝗔𝗞𝗔 𝗩𝗢𝗔𝗙𝗜𝗗𝗬 𝗧𝗔𝗢 𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗗𝗜𝗦𝗧𝗥𝗜𝗞𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗠𝗔𝗛𝗔𝗕𝗢 𝗡𝗜𝗭𝗔𝗥𝗔 𝗙𝗜𝗧𝗔𝗢𝗩𝗔𝗠𝗣𝗜𝗔𝗡𝗔𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗛𝗢 𝗔𝗡’𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗠𝗣𝗜𝗔𝗡𝗔𝗧𝗥𝗔 𝗔𝗢 𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗞𝗔𝗢𝗠𝗜𝗡𝗜𝗡𝗔 𝟭𝟮 𝗠𝗔𝗡𝗗𝗥𝗔𝗙𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗡𝗬 𝗗𝗜𝗦𝗧𝗥𝗜𝗞𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗠𝗔𝗛𝗔𝗕𝗢

Posted by - septembre 12, 2024 0
𝙷𝚘 𝚏𝚊𝚗𝚊𝚖𝚊𝚏𝚒𝚜𝚊𝚗𝚊 𝚗𝚢 𝚙𝚘𝚕𝚒𝚝𝚒𝚔𝚊𝚗’𝚗𝚢 𝚏𝚊𝚗𝚓𝚊𝚔𝚊𝚗𝚊 𝚏𝚘𝚒𝚋𝚎 𝚜𝚢 𝚑𝚘 𝚏𝚊𝚗𝚊𝚖𝚙𝚒𝚊𝚗𝚊 𝚗𝚢 𝚛𝚊𝚢 𝚊𝚖𝚊𝚗-𝚍𝚛𝚎𝚗𝚢 𝚊𝚖𝚒𝚗’𝚒𝚣𝚊𝚘 𝚏𝚒𝚍𝚒𝚛𝚊𝚗’𝚗𝚢 𝚖𝚙𝚒𝚊𝚗𝚊𝚝𝚛𝚊 𝚒𝚣𝚊𝚘 𝚊𝚛𝚢 𝚑𝚘 𝚏𝚊𝚖𝚙𝚘𝚛𝚒𝚜𝚒𝚑𝚊𝚗𝚊 𝚒𝚛𝚎𝚘…