Antananarivo, 30 Jolay 2025 โ Ao anatinโizao vanim-potoana ankehitriny izao, dia mbola mitohy mangina sy mamohehatra ny endriky ny fanandevozana maoderina, miafina ao ambadikโireo tolotra asa manjavozavo sy fikasana tsy mazava.
Tsy vitsy ireo olombelona, indrindra fa ireo tanora vehivavy mitady fivelomana, no lasibatry ny famitahana aminโny endrika famarinana.
Ho fanoherana izany tranga mampalahelo izany, dia notanterahina androany, 30 Jolay, ny Andro Iraisam-pirenena ho Fanoherana ny Famarinana Olombelona, hetsika iraisana nokarakarainโny fikambanana DIS-MOI (avy any Maorisy), PASSERELLE, ary BNLTEH (Birao Nasionaly Miady aminโny Fanondranana Olona eto Madagasikara), ka tontosaina tao aminโny Hotel Asia & Africa, Antananarivo.
๐๐๐ก๐ข๐ฏ๐๐ฏ๐ฒ ๐๐๐ฅ๐๐ ๐๐ฌ๐ฒ โ ๐ฅ๐๐ฌ๐ข๐๐๐ญ๐ซ๐ ๐ฏ๐จ๐๐ฅ๐จ๐ก๐๐ง๐ฒ ๐๐ฆ๐ข๐งโ๐ง๐ฒ ๐๐๐ง๐จ๐ง๐๐ซ๐๐ง๐๐ง๐ ๐จ๐ฅ๐จ๐ง๐
Araka ny fanadihadiana nataonโireo fikambanana mpiaro zonโolombelona, i Madagasikara dia isanโny firenena ahitana tranga maro aminโny fanondranana olona. Ireo tovovavy Malagasy mitady asa no matetika iharanโny fanambakana: tolotra asa mamirapiratra, saingy miafara aminโny fanandevozana ara-nofo, faneriterena, fanalam-baraka, ary indraindray aza miafara aminโny fahafatesana.
๐๐๐๐๐๐: rantsam-panjakana miatrika mivantana ny olana
Manoloana izany, dia mijoro sy miasa amin-kitsim-po ny BNLTEH, rantsam-panjakana eo ambany fiahianโny Minisiteranโny Fitsarana. Izy no tomponโandraikitra aminโny ady aminโny fanondranana olona, na eto an-toerana na any ivelany.
Manao asa fampahafantarana, fanentanana ary fiaraha-miasa aminโireo fikambanana sy solontenam-pirenena samihafa izy, ho fiarovana ireo marefo sy mora voafandrika.
๐
๐ข๐๐๐ง๐๐จ๐ฏ๐๐ง-๐ญ๐ฌ๐จ๐ง๐ข๐: marika iray aminโny fiaraha-mientana
Nandritra ity andro manan-danja ity dia nisy ihany koa ny fifanaovan-tsonia ara-piaraha-miasa teo aminโny BNLTEH sy ireo mpiara-dia avy any ivelany, indrindra ny avy aminโi Maorisy sy Frantsa, izay maneho tanana mitambatra aminโny ady aminโity fanondranana olona ity.
Anisanโireo nitarika sy nanome lanja ny fotoana ny Minisitry ny Asa, ny Ambasadaoro Amerikanina eto Madagasikara, ary ireo solontenanโny fikambanana iraisam-pirenena niara-nirotsaka aminโny fanatanterahana ny hetsika.
๐
๐๐ก๐ข๐ง๐ฒ
Tsy vitanโny hoe fankalazana fotsiny ny Andro Iraisam-pirenena ho Fanoherana ny Famarinana Olombelona, fa fampahatsiahivana antsika rehetra koa fa mbola maro ireo rahavavy sy rahalahy mitaraina anaty fahanginana. Miankina aminโny fiaraha-mientantsika aminโny maha-olombelona, aminโny fitandrovana sy fanajร na ny zonโny hafa, no hisianโny fandrosoana marina.