πŒπˆπˆπ’π€ πŸπŸ“ πˆπ‘π„πŽ πŒππˆπ“π€ππƒπ‘πŽ π…πˆπ‹π€πŒπˆππ€ππ€ ππŽπ…π€ππˆππ€ πŒπ€ππŽπŠπ€ππ€ πŒπ€π‡π€πŠπ€π’πˆπŠπ€ 𝐍𝐘 π€πƒπ˜ π€π“π€πŽ π€πŒπˆπ’𝐍𝐘 π…π€πŒπ€π‘πŽπ“π€ππŽπ‹πŽππ€

85 0
Notanterahina ny 14 sy 15 Mey 2025 lasa teo ny fiofanana amin’ny ady hatao amin’ny famarotanaolona, niarahan’ny BNLTEH sy ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka nikarakara. Tonga nanotrona ny fanokafana tamin-pomba ofisialy ny SecrΓ©taire ExΓ©cutif an’ny BNLTEH, ny Talen’ny Fanarahamaso ny Fifindra-monina, ary ny Talen’ny Fikarohana sy Fampiofanana Mitohy.
Ka ny Agents sy Officiers de Police Judiciaire (APJ sy OPJ) no nisitrala ity fiofanana manokana ity, tamin’izany no namelabelarana fa ny tompon’andraikitra mivantana amin’ity sehatra marefo ity ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka sy ny BNLTEH (Birao Nasionaly miady amin’ny Fivarotana Olona), ka izany indrindra nanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpitandro filaminana amin’ny ady atao amin’ny fanondranana sy fivarotana olona.
Mpiasa Fantatra fa miisa 25 avy amin’ny sampandraharaha miisa enina no nandray anjara tamin’ty fiofanana manokana ity, anisan’izany ny Sampana misahana ny famotorana manokana, ny polisy amin’ny seranam-piaramanidina sy sisintany, ny polisy misahana ny zaza sy ny vehivavy, ny ady amin’ny heloka anaty aterineto, ny sampana pasipaoro, ary ny heloka bevava ankapobeny.
Anisan’ny tao anatin’ny fandaharam-potoana niofanana ny fahalalana sy fahafantarana ny karazana endrika famarotanolona , ny fifehezana ireo paik’adim-pamotorana manaraka lalΓ na sy manaja zon’olombelona ; fitsirihana ireo karazanolona marefo mety ho lasibatry ny tambajotra mpivarotra olona ;
Nangonin β€˜Lay Mahitsy

Related Post

πŸ‘‰π…πˆπ‡π€π“π‘π„π‡π€ππ€ 𝐍𝐘 π…πˆπ…πˆπƒπˆπ€ππ€ππ€ MIOFANA ATO MORONDAVA IREO MPIKAMBANA NY SRMV ANATIN’NY FARITRA MENABE

Posted by - mai 10, 2024 0
βœ…πŒπ’πšπ­π«π’π€πš 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐒𝐨𝐟𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐒𝐫𝐞𝐨 π¦π©π’π€πšπ¦π›πšπ§πš 𝐚𝐦𝐒𝐧’𝐧𝐲 π’π‘πŒπ• 𝐬𝐲 𝐒𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐚𝐦𝐩𝐒𝐨𝐟𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 π¦π©π’π€πšπ¦π›πšπ§πš 𝐒𝐬𝐚𝐀𝐲 𝐧𝐲 π›π’π«πšπ¨π¦-𝐩𝐒𝐟𝐒𝐝𝐒𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐭𝐨 𝐚𝐦𝐒𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐫𝐒𝐭𝐫𝐚 πŒπžπ§πšπ›πž 𝐒𝐳𝐚𝐲 𝐚𝐭𝐚𝐨…