BNGRC : HATSARAINA NY DRAFITRY NY VONJY TAITRA NASIONALY MANOLOANA NY RIVO-DOZA SY NY RANOBE..

336 0

Notanterahina ny 2 sy ny 3 novambra 2023 tao amin’ny Hotely IBIS Ankorondrano ny atrik’asa  fanatsarana ny drafitry ny vonjy taitra nasionaly ho an’ny rivodoza sy ny ranobe 2023-2024 sy ireo asa atao mialohan’ny ahatongavan’ny rivodoza .

Taorian’ny namoahan’ny foibe famantarana ny toetr’andro ny vinavinan’ny toetr’andro mandritra ny vanim-potoanan’ny rivodoza 2023-2024, dia niaraka nanantanteraka ny atrik’asa fanatsarana ny drafitry ny vonjy taitra nasionaly ho an’ny rivodoza sy ranobe ary fanatsarana ny asa atao mialohan’ny ahatongavan’izany  ny BNGRC sy ny UNOCHA  ary ny PNUD sy ireo mpiantsehatra maro amin’ny fitantanana ny loza sy ny tandindondoza .Marihina fa efa tafiditra anatin’ny vanim-potoanan’ny rivo-doza 2023-2024 isika izao.

Anisan’izany firenena iharan’ny fiovaovan’ny toetr’andro i Madagasikara isan-taona ka noho izany indrindra no nanatsarana ny drafitra ity. Efa maro ireo atrik’asa natao taorian’ny fiafaran’ny vanim-potoanan’ny rivo-doza 2022-2023, izay nahafahana naka lesona momban’ny fitantanana ireo loza nifanesy, hatsarina izay hita fa nety raha toa ka esorina kosa izay tsy nahitam-bokatra.

Tanjona ny hanamafy ny rafitra amin’ny fandrindrana ny asa fanaraha-maso, ny asa atao mialohan’ny fahatongavan’ny rivo-doza, ny fampitandremana ary ny fandraisana andraikitra manoloana ny loza izay mety hisy fiantraikany lehibe amin’ny faritra iray na maromaro.

Nanamarika ny Talen’ny BNGRC nandritra ny dinika nifanaovany tamin’ireo mpanao gazety fa  voafehin’ny Fitondram-panjakana malagasy ny fitantanana ireo rivo-doza maro nifanesy teto ary reharehatsika izany. Porofon’izany ny fahamaroan’ireo firenena aty afrika tonga eto Madagasikara manatanteraka fivahinianana haka traikefa  , isan’izany ry zareo Mozambikana izay efa nanao izany teo aloha ary mbola hiverina indray atoato handrato traikefa eto Madagasikara.


Nalaina tao amin’ny : https://www.depeche-taratra.mg/

Related Post

Nafana ny fandraisan’ny vahoakan’ny Kaominina Anjeva Gara ny Kandida N°3

Posted by - mai 26, 2024 0
𝐍𝐀𝐅𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐈𝐒𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐉𝐄𝐕𝐀 𝐆𝐀𝐑𝐀 𝐍𝐘 𝐊𝐀𝐍𝐃𝐈𝐃𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐑𝐀𝐈𝐒𝐀𝐍𝐊𝐈𝐍𝐀 𝐋𝐀𝐇𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐅𝐀𝐇𝐀 𝟑 – 𝐀𝐕𝐎𝐓𝐑𝐀 𝐒𝐘 𝐉𝐈𝐌𝐌𝐘 — Anio Alahady 26…