ANTSIRANANA : HETSIKA FANDIDIANA MAIMAIMPOANA HO AN’NY OLONA SIMA NA VAKY LAGNILAGNY, NA VAKY SOGNY.

15 0

Araka ny Fanambarana izay nataon’ny Talen’ny Hopitaly Manarapenitra Antsiranana Dokotera ANDRIANIAINA Dells, dia hisy ny fandidiana maimaimpoana ho an’ny olona Sima na vaky Lagnilagny atao ao amin’ny CHU Tanambao Antsiranana ny faha 26 Aogositra 2024 ho avy izao.

Ny Fisoratana anarana dia manomboka amin’ny Alatsinainy faha 12 Aogositra 2024 ho avy izao etsy amin’ny CHU Tanambao na Hopitaly Manarapenitra, na koa miantso ny laharan’ireto tomponandraikitra ireto: 0324651247 na 0324059483.

Afaka mandray olona avy any amin’ny Faritra hafa ihany koa izy ireo raha toa ka tena ilaina izany araka ny fanazavana voaray tamin’ny tomponandraikitra ato amin’ny CHU Tanambao.

Tsara ny manamarika fa honerana na rembourser ny saran- dalan’ireo marary avy lavitra raha toa ka manana ilay ticket manamarina fa tena « passager  » ilay marary avy lavitra.

Fanafody maimaim- poana ihany koa no azo mandritra io hetsika io ary maimaimpoana ihany koa ny traitement aorian’ny fandidiana.

Marihina fa Fiaraha-miasan’ny Médecin du Monde sy ny Ministeran’ny Fahasalamam- bahoaka miaraka amin’ny fitondram- panjakana Malagasy no ahafahana manatanteraka ity hetsika ara- pahasalamana ity.

✍️ Sela Fanambarana.

Related Post