Antsirabe | Fahatsiarovana ny 29 Marsa 1947.

89 0
29 Marsa 1947-29 Marsa 2026.
Feno 79 taona ny tolom- panafahana ho an’ny fahaleovan-tenan’i Madagasikara.
Nisy ny lanonam- pahatsiarovana nanamarihana izany ny alahady 29 marsa 2026 manoloana ny Gara eto Antsirabe ambonivohitra, notarihin’ny Préfet Distrika Antsirabe I.
Nanome voninahitra ny fotoana ireo manam-pahefana isan’ambaratonga eto an- tanànan’Antsirabe.
Tazana teny ny Ramatoa iray anisan’ny akanga sisa nanamborana.
Nandritra izany no nametrahana fehezam- boninkazo teo amin’ny tsangambaton’ny mahery fo namoy ny ainy niady ho an’ny tanindrazana.
 » Tolom- panafahana fanavaozana ny fitiavan- tanindrazana ». Lohahevitry ny fahatsiarovana amin’ity 2026 ity.
Nambaran’ny Depiote Michel voafidy teto amin’ny Distrika Antsirabe I fa ao anatin’ny fanavaozana an’i Madagasikara ny Malagasy ankehitriny, nanentana ny vahoaka izy hiara- misalahy ka mifanampy hialàna amin’ny fahantrana.
Ho ela velona anie ny fitiavan- tanindrazana.
Soratra: Haja.
Sary: Aina.

Related Post

PORT-BERGE | NANGATAHIN’NY VAHOAKA HIROTSAKA HO DEPIOTE Dr ADOLPHE FIAREMA

Posted by - mars 17, 2024 0
𝐏𝐎𝐑𝐓-𝐁𝐄𝐑𝐆𝐄 | 𝐍𝐀𝐍𝐆𝐀𝐓𝐀𝐇𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐕𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀 𝐇𝐈𝐑𝐎𝐓𝐒𝐀𝐊𝐀 𝐇𝐎 𝐃𝐄𝐏𝐈𝐎𝐓𝐄 𝐃𝐫 𝐀𝐃𝐎𝐋𝐏𝐇𝐄 𝐅𝐈𝐀𝐑𝐄𝐌𝐀 𝐓𝐄𝐎 𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐎𝐕𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐀𝐓𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐀𝐇𝐀 𝐁𝐄𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐙𝐘. Manana zo…