π€π¦π›πšπ­π¨π₯𝐚𝐦𝐩𝐲: 𝐯𝐒𝐭𝐚 𝐭𝐚𝐧𝐭𝐞𝐫𝐚𝐀𝐚 𝐧𝐲 πŸπšπ§πšπ¦π›π¨πšπ«πšπ§πš 𝐧𝐲 𝐭𝐞𝐭𝐞𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐚𝐦𝐩𝐒𝐭𝐚𝐫𝐚𝐒𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐯𝐚𝐑𝐨𝐚𝐀𝐚 𝐞𝐟𝐚 𝐚𝐦𝐚𝐧-𝐭𝐚𝐨𝐧𝐚𝐧𝐲 𝐦𝐚𝐫𝐨

17 0
β€œMiroso hatrany isika, asa fa tsy kabary.” Io hafatra fohy nefa mafonja io no nentin’ny Ben’ny TanΓ nan’ny Kaominina Ambatolampy, Andriamatoa Mika DIMBINIAVO, nanamarika ny fahavitan’ny fanamboarana ny tetezana iray ao an-tanΓ nan’Ambatolampy, fotodrafitrasa efa nampitaraina ny mponina sy ireo mpampiasa lalana nandritra ny taona maro.
Vita tanteraka ankehitriny ny asa fanarenana, ka afaka ampiasain’ny rehetra manomboka androany ity tetezana ity. Tombontsoa lehibe ho an’ny mponina izany, satria hanamora ny fivezivezena andavanandro sy hanatsara ny fifamoivoizana ao an-toerana.
Nohamafisina fa vokatry ny hetra, ny adidy ary ny ezaka iombonan’ny tsirairay no nahafahana nanatanteraka ity asa ity. Azo lazaina ho β€œangady nananana sy vy nahitana” ny fandraisan’andraikitry ny rehetra, ka antenaina fa ho fotodrafitrasa haharitra sy ho lovain-jafy ity tetezana nohavaozina ity.
Entanina araka izany ny vahoaka mba samy ho saro-piaro amin’ity fotodrafitrasa iombonana ity, hitandrina azy ary hanaja ny fepetra fampiasana azy. Tsiahivina manokana fa 5 taonina ihany ny lanja ambony indrindra napetraky ny GΓ©nie DMA, izay nanamboatra ity tetezana ity tamin’ny 23 martsa 1951.
Β«Β π‘¨π’Žπ’ƒπ’‚π’•π’π’π’‚π’Žπ’‘π’š π’•π’”π’š π’Žπ’‚π’Šπ’π’•π’”π’š π’Žπ’‚π’π’…π’“π’π’”π’Β Β»
πŸ“· : Mika Dimbiniavo

Related Post