AMBILOBE: MISOKATRA HO AN’NY VAHOAKA NY FITSARANA AMBARATONGA VOALOHANY

142 0
⚖️AMBILOBE: MISOKATRA HO AN’NY VAHOAKA NY FITSARANA AMBARATONGA VOALOHANY. TAFAPETRAKA NY FILOHA SY NY TONIA MPAMPANOA LALANA. NANATRIKA NY LANONANA ARA-PITSARANA NY MINISITRA RANDRIAMANANTENASOA LANDY MBOLATIANA.
 
📌Zoma faha -10 Novambra 2023, Fitsarana Ambaratonga Voalohany Ambilobe, napetraka ho Filoha Ramatoa RASOARIVELO Nirina, napetraka ho Tonia Mpampanoa Lalàna kosa Andriamatoa TOZARA Constant. Efa mandray ny asany avokoa ireo Mpiasa rehetra hampandeha ny raharaha eo anivon’ity Fitsarana vaovao, natsangan’ny Fanjakana ity. Ny Alatsinainy ho avy izao dia efa azon’ny vahoakan’ Ambilobe hanatonana araka ny fanentanana izay nataon’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana ary nohamafisiny fa tsy misy very akory ny raharaha izay nentina tany Antsiranana fa efa voafindra eto Ambilobe avokoa ny fanohizana izany ho an’ny Mponina eto.
 
⭕Raha ny fantatra mantsy dia ny 31 isan-jaton’ny ady madio sy ny 35 isan-jaton’ny ady heloka nandalo tao Antsiranana dia avy teto Ambilobe avokoa. Afa-pahasahiranana arak’izany ny Mponina, na eo amin’ny lafiny fivezivezena na eo amin’ny lafiny ara-bola, nohon’ny saran-dalana, indrindra amin’ny fikarakarana taratasim-panjakana, izay miankina amin’ny Fitsarana. Nanatrika ny fametrahana tamin’ny toerany ny Filoha sy ny Tonia Mpampanoa Lalàna ao Ambanja, ireo tompon’andraikim-panjakana isan-tokony, na olom-boafidy na olom-boatendry.

© :

justice.mg
 

Related Post

𝐊𝐀𝐍𝐃𝐈𝐃𝐀 𝐈𝐑𝐌𝐀𝐑 22 𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐀𝐌𝐁𝐀𝐓𝐎𝐍𝐃𝐑𝐀𝐙𝐀𝐊𝐀

Posted by - septembre 22, 2024 0
𝐍𝐀𝐌𝐄𝐓𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐀𝐍𝐓𝐎𝐓𝐀-𝐓𝐀𝐑𝐀𝐓𝐀𝐒𝐘 𝐅𝐈𝐋𝐀𝐓𝐒𝐀𝐇𝐀-𝐊𝐎𝐅𝐈𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐁𝐄𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐊𝐀𝐍𝐃𝐈𝐃𝐀 𝐈𝐑𝐌𝐀𝐑 22 𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐀𝐌𝐁𝐀𝐓𝐎𝐍𝐃𝐑𝐀𝐙𝐀𝐊𝐀 Tonga nanontrona ireo kandida ben’ny tanana IRMAR…