AMBILOBE: MISOKATRA HO AN’NY VAHOAKA NY FITSARANA AMBARATONGA VOALOHANY. TAFAPETRAKA NY FILOHA SY NY TONIA MPAMPANOA LALANA. NANATRIKA NY LANONANA ARA-PITSARANA NY MINISITRA RANDRIAMANANTENASOA LANDY MBOLATIANA.
Zoma faha -10 Novambra 2023, Fitsarana Ambaratonga Voalohany Ambilobe, napetraka ho Filoha Ramatoa RASOARIVELO Nirina, napetraka ho Tonia Mpampanoa Lalàna kosa Andriamatoa TOZARA Constant. Efa mandray ny asany avokoa ireo Mpiasa rehetra hampandeha ny raharaha eo anivon’ity Fitsarana vaovao, natsangan’ny Fanjakana ity. Ny Alatsinainy ho avy izao dia efa azon’ny vahoakan’ Ambilobe hanatonana araka ny fanentanana izay nataon’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana ary nohamafisiny fa tsy misy very akory ny raharaha izay nentina tany Antsiranana fa efa voafindra eto Ambilobe avokoa ny fanohizana izany ho an’ny Mponina eto.
Raha ny fantatra mantsy dia ny 31 isan-jaton’ny ady madio sy ny 35 isan-jaton’ny ady heloka nandalo tao Antsiranana dia avy teto Ambilobe avokoa. Afa-pahasahiranana arak’izany ny Mponina, na eo amin’ny lafiny fivezivezena na eo amin’ny lafiny ara-bola, nohon’ny saran-dalana, indrindra amin’ny fikarakarana taratasim-panjakana, izay miankina amin’ny Fitsarana. Nanatrika ny fametrahana tamin’ny toerany ny Filoha sy ny Tonia Mpampanoa Lalàna ao Ambanja, ireo tompon’andraikim-panjakana isan-tokony, na olom-boafidy na olom-boatendry.
Ratsimandrava Richard dia miaramila sy mpitondra fanjakana malagasy, teraka tamin’ ny 21 Marsa 1931 tao Mangarivotra, Antananarivo ary maty tamin’ ny 11 Febroary 1975…
Miantso ny vahoaka ao amin’i distrikan’Antanifotsy mba hiandry am-pitoniana ny voka-pifidianana ofisialy havoakan’ny tribunal administratif ny solombavambahoaka voafidy tao an-toerana…