ππˆπ…π„π“π˜ 𝐍𝐘 π•π€π‡πŽπ€πŠπ€π’π€πŒππ€π“πŽππƒπ‘π€π™π€πŠπ€ 𝐍𝐘 π‡π€π‘πˆπ•π€π’𝐍𝐘 25 π‰πŽππ€ 2025

165 0
Niavaka tsy toin’ny isan-taoana ny fankalazana ny Fetim-pirenana teto Ambatondrazaka ny harivan’ny 25 Jona, ankoatran’ny Afomanaga izay fanomezana avy amin’ny filoha Andry Rajoelina sy ny Podium toy ny mahazatra dia nanomana podium manokana nanomezana sehetra ireo mpanakanto zanak’Ambatondrazaka ihany koa ny Fiadidiana ny Kaominina,hetsika izay niarahana niasa tamin’ny YAS.
Teo amin’ny La place no nananaovana izany ho fanombohana sahady ny famerenana indray ny hasina sy ny tantaran’izany La place izany izay Andohatanjona moa ny fiantsoana azy teo Aloha.
Tao anatin’ny fifankatiavana sy haravoana tanteraka no niarahan’ny vahoaka nifaly, nontronon’ireo Ray aman-dreny ara-panjakana eto antoerana rehetra satria tonga niara-paly tamin’ny vahoaka avokoa ny solombavambahoaka Andry Jean Patrick, ny Governora Dr Guy RAMAROSANDRATANA, ny PrΓ©fet Dr RAKOTOARIDINA DieudonnΓ© ary ny ben’ny Tanana RATAFITA Fanantenana mazava hoa azy.
✍️ Nanginin’i Lova JanΓ 

Related Post

MENABE CONNEXION

Posted by - novembre 18, 2024 0
Nahazo fiaraha miasa amin’ny masoivohon’ny Frantsay eto Madagasika ka tetik’asa eo anivon’ny tanora sy ny fanatanjahan-tena ary koa ny lafiny…