Fiara iray tsy mataho-dalana Hyundai-Galoper avy any Antsiranana no niharam-boina raha niditra ny tetezan’i ESTAPRO, fokontany Antsakoamanondro distrikan’Ambanja androany 22 desambra tokony ho tamin’ny 5 ora maraina te ho eo.
Araky ny tatitr’ireo nahita maso dia vokatry ny fandehanana mafy loatra no nahatonga ny loza. Nanidina teo amin’ny 20 metatra teo ilay fiara rehefa tsy tafiditra ny tetezana,ary nipitika tery am-pitan’ilay renirano hoy ihany ireo nanatri-maso.
5 no maty tsy tsa-drano ary anisan’izany ny mpamily izay vao tanora erotrerony, 32 taona, ary 2 no naratra mafy ka nentina vonjy maika any amin’ny Hopitaly ao Ambanja. Poitka tsy nisy azo raisina intsony ilay fiara.
Aoka isika mpamily tsy ho sodokan’ny làlana mahitsy mitoman-davana fa ho mailo foana ary hijery hatrany ireny takela fanambaràna eny an-dalana ireny. Ny patsa iray mantsy tsy omby vava rehefa tonga ny loza.
Tao amin’ny EPP Agnamborano Besakay,Fokotany Ambodisaina ,CR Tamatave Suburbaine, no nosafidin’ny Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena Atsinanana,nanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny andron’ny…
Morondava Nidina ifotony nitondra fanetanana sy fampianarana ho an’ireo mpampiasa lalana ny avy eo anivon’ny polisim-pirenena Morondava manoloana ny fisian’ny…