AKON’NY FITSARANA

292 0
⚖️𝐅𝐈𝐃𝐈𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐈𝐅𝐎𝐓𝐎𝐍𝐘 𝐄𝐓𝐎 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐕𝐎𝐌𝐁𝐄
—–
📆 : 25/Aprily/2024
📌Nigadona anio Alakamisy 25 Aprily 2024 eto amin’ny faritr’Ambovombe ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, nitsidika ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany sady nanao dinik’asa ho fanatsarana ny fitantanana ho tombontsoa an’ireo vahoaka.
⭕Tao anatin’izany no nanoloran’ny Minisitra solosaina 3 miaraka amin’ny « imprimante » iray. Teo ihany koa ny nitondrana fanazavana sy fizarana ireo diary fanarahan-draharaha eo anivon’ny Fitsarana.
✅Ny fidinana ifotony toy izao dia ilaina mba hahitana ny zava-misy tokoa hitondrana fanavaozana.
Fifamindram-pahefana
📆 23 aprily 2024
 
📌Notanterahina anio talata faha 23 aprily 2024 teto amin’ny Minisiteran’ny Mponina sy ny Firaisan-kina Ambohijatovo ny fifamindram-pahefana teo amin-dRamatoa 𝐅𝐎𝐌𝐄𝐍𝐃𝐑𝐀𝐙𝐀 𝐇𝐚𝐢𝐧𝐠𝐨 𝐄𝐥𝐢𝐬𝐞𝐭𝐭𝐞 Minisitry ny Mponina sy ny Firaisan-kina teo aloha sy Ramatoa 𝐑𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐓𝐄𝐍𝐀𝐒𝐎𝐀 𝐋𝐚𝐧𝐝𝐲 𝐌𝐛𝐨𝐥𝐚𝐭𝐢𝐚𝐧𝐚, Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana/Minisitry ny Mponina sy ny Firaisan-kina mpisolo toerana.
☑️Vonona hanohy ny asa ary hifanolo-tanana amin’ny mpiara-miasa rehetra ny Minisitra 𝐑𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐓𝐄𝐍𝐀𝐒𝐎𝐀 𝐋𝐚𝐧𝐝𝐲 𝐌𝐛𝐨𝐥𝐚𝐭𝐢𝐚𝐧𝐚.
 
⚖️𝐅𝐚𝐦𝐩𝐢𝐫𝐨𝐛𝐨𝐫𝐨𝐛𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐨𝐡𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐢𝐧𝐝𝐨𝐬𝐭𝐫𝐢𝐚
📆 22 aprily 2024
 
📌Voafaritra ao anatin’io Andry lehibe faharoan’ny politikam-pitantanam-panjakana (PGE) ankehitriny io ny sehatry ny indostria sy ny sehatra tsy miankina.
➡️Noho Izany dia nisy ny fivoriana niarahan’ny Ministeran’ny Fitsarana sy ny Banky Foiben’i Madagasikara, ny CSBF, ny fikambanan’ireo mpandray anjara amin’ny sehatra ara-bola toy ny Banky mivondrona ao amin’ny APB, ireo Tranom-piantohana ao anatin’ny AEAM, ireo banky mpampindram-bola mandinika ao amin’ny APIMF, ary ny sehatra tsy miankina toy ny SIM, GEM, FivMpaMa.
⭕Natao izao fivoriana izao mba hisian’ny fifampizarana ireo olana sedrain’ireo sehatra ireo ny amin’ny raharaham-pitsarana, ary ihany koa nanaovana fifanakalozana mba hahitana vahaolana mifandraika amin’izany, ka hanatsarana ny kalitaon’ny asa-pitsarana sy mba ho tombotsoan’ny rehetra.
Maro ny teboka nivoitra tao anatin’izany ka tsy maintsy handraisana lamina sy fiaraha-miasa eo amin’ny samy mpandray anjara.
Fivorian’ny OMC tao Amboasary Avaratra, Anjozorobe ary tao Amborontarakely, Ankazobe
 
📆 21 aprily 2024
 
 
Lapan’i Mahazoarivo – 21 aprily 2024 – Nohon’ny trangana fangalana olona an-keriny mitohy ataon’ireo jiolahy ato amin’ny distrikan’i Anjozorobe sy Ankazobe dia namory ny OMC taty Amboasary Avaratra sy Amborontarakely ny Praiministra, Lehiben’ny Governemanta Ntsay Christian niaraka tamin’ireo ministra tomponan’antoka voalohany amin’ny filaminana sy ny fandriampahalemana. Nandray anjara tamin’izany fihaonana izany ihany koa ireo olom-boafidy nahitàna ireo Ben’ny tanàna sy ireo solontenam-panjakana foibe sy ireo taty an-toerana.
Nodinihina lalina ny zava-misy marina sy ny fototry ny olana rehetra ka napetraka ny paikady hiadina amin’ny asa ratsy fakana an-keriny.
 
Nanamarika ny rehetra fa vonona hanatanteraka ny adidy sy andraikitra manandrify ny tsirairay.
 

Related Post

𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐓𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐌𝐀𝐇𝐀 𝐎𝐋𝐎𝐍𝐀 : 𝐓𝐎𝐇𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐇𝐄𝐓𝐒𝐈𝐊𝐀 𝐊𝐎𝐏𝐈𝐀 𝐅𝐀𝐎𝐁𝐄 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐀𝐍𝐊𝐈𝐙𝐘 𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐀𝐊𝐀𝐍𝐘 𝐀𝐊𝐀𝐌𝐀𝐒𝐎𝐀

Posted by - juillet 24, 2024 0
𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐓𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐌𝐀𝐇𝐀 𝐎𝐋𝐎𝐍𝐀 : 𝐓𝐎𝐇𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐇𝐄𝐓𝐒𝐈𝐊𝐀 𝐊𝐎𝐏𝐈𝐀 𝐅𝐀𝐎𝐁𝐄 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐀𝐍𝐊𝐈𝐙𝐘 𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐀𝐊𝐀𝐍𝐘 𝐀𝐊𝐀𝐌𝐀𝐒𝐎𝐀 Ny zo hanana anarana…

Nahazo Solosaina ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Ambositra.

Posted by - mai 26, 2024 0
𝐅𝐀𝐍𝐎𝐋𝐎𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐎𝐋𝐎𝐒𝐀𝐈𝐍𝐀 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐈𝐍𝐈𝐒𝐓𝐄𝐑𝐀 𝐅𝐎𝐈𝐁𝐄 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐁𝐀𝐑𝐀𝐓𝐎𝐍𝐆𝐀 𝐕𝐎𝐀𝐋𝐎𝐇𝐀𝐍𝐘 𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀 Zoma 24 mey 2024, ao anatin’ny ezaka…