Ady amin’ny famarinan’olombelona sy asa an-tery mifandraika amin’ny fanandevozana

88 0
𝐑𝐀𝐇𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐑𝐀𝐑𝐀𝐎𝐓𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐄𝐑𝐀-𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐌𝐀𝐋𝐀𝐆𝐀𝐒𝐘 𝐍𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐎𝐕𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐒𝐀 𝐀𝐍-𝐓𝐄𝐑𝐈𝐕𝐎𝐙𝐎𝐍𝐀 𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐂𝐀𝐌𝐁𝐎𝐃𝐆𝐄 : 𝐋𝐄𝐇𝐈𝐋𝐀𝐇𝐘 𝐈𝐑𝐀𝐘 𝐕𝐎𝐀𝐒𝐀𝐌𝐁𝐎𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐏𝐎𝐋𝐈𝐒𝐈𝐌𝐏𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀 𝐀𝐑𝐘 𝐄𝐅𝐀 𝐍𝐈𝐃𝐎𝐁𝐎𝐊𝐀 𝐀𝐌-𝐏𝐎𝐍𝐉𝐀.
🚔 Ady amin’ny famarinan’olombelona sy asa an-tery mifandraika amin’ny fanandevozana
📅 Nosamborin’ny Polisy miasa ao amin’ny Service Central des Enquêtes Spécialisées et de la Lutte contre les Fraudes (SCESLF) ny 31 oktobra 2025 ny lehilahy iray, izay tompon’antoka amin’ny raharaha famarinan’olombelona ka nahavoakasika teratany malagasy maromaro tany Cambodge ny fiandohan’ny volana Oktobra 2025 teo.
🌍 Niely tao amin’ny tambajotra Facebook ny sary mampiseho ny fiainan’ireo tanora malagasy nila ravinahitra tany Cambodge izay niharan’ny fanararaotana sy asa an-terivozona ka miendrika famarinan’olombelona izany.
🕵️‍♀️ Araka ny fanadihadiana nataon’ny Polisimpirenena tamin’ireo lasibatra dia tao amin’ny tambajotran-tserasera Facebook, WhatsApp na TikTok no nahitàn’izy ireo tolotr’asa na ihany koa fampiofanana arak’asa any Cambodge. Fampiofanana arak’asa maimaim-poana ary arahana tolotr’asa izy io, na asa avy hatrany izay lazaina fa tafiakatra 700 Dolara na maherin’ny 3 tapitrisa ariary ny karama.
🚫 Rehefa tonga tany amin’ilay toerana niasàna anefa dia nogiazana avy hatrany ny pasipaoro sy ny antontan-taratasy rehetra momba azy ireo, nambenana tamin’ny mpiambina mitam-basy, ary nampanaovina asa an-terivozona toy ny fisolokiana amin’ny internet.
🇲🇬 Miisa 16 mianadahy no efa tafody eto Madagasikara tamin’ireo malagasy nampiasaina nampanaovina asa an-terivozona tany Cambodge ireo ankehitriny, ary efa misy voasambotry ny Polisy any an-toerana ny tompon’antoka tamin’izany.
🔎 Tamin’ny fanadihadiana ihany koa no nahafantarana an’ilay malagasy izay mpifandray amin’ireo avy any Cambodge ka manamora ny fikarakaràna ny fandefasana azy ireo any. Samy nakan’ilay tompon’antoka 5 alina sy 7 hetsy ariary avy ireo lasibatra. Nahazo 25 dolara na 1 hetsy ariary isan’olona tamin’ireo malagasy nalefany tany ivelany kosa izy tamin’ireo olona avy any Cambodge miray tsikombakomba aminy.
⚖️ Rehefa natolotra ny fampanoavana ity lehilahy ity ny 3 novambra 2025 dia nampidirina am-ponja vonjimaika eny Antanimora.
📢 Ny Polisimpirenena dia manentana hatrany ny mpiray Tanindrazana mba hitandrina tsara sy hanamarina hatrany amin’ireo tolotra asa any ivelany mba hisorohana ny tranga tahaka izao. Mbola mitohy ny fanadihadiana raha ny mahakasika an’ity raharaha ity manokana.
— 𝗡𝗮𝗱𝗶𝗸𝗮 𝗺𝗮𝗻𝗼𝗻𝘁𝗼𝗹𝗼 𝗮𝘃𝘆 𝗮𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗧𝗮𝗸𝗲𝗹𝗮𝗸𝘆 𝗻𝘆 𝗣𝗼𝗹𝗶𝘀𝗶𝗺-𝗽𝗶𝗿𝗲𝗻𝗲𝗻𝗮 𝗠𝗮𝗹𝗮𝗴𝗮𝘀𝘆 —

Related Post

𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐅𝐨𝐤𝐨𝐧𝐨𝐥𝐨𝐧𝐚 𝐚𝐯𝐲 amin’ny 𝐟𝐨𝐤𝐨𝐧𝐭𝐚𝐧𝐲 11 𝐧𝐢𝐟𝐚𝐫𝐢𝐦𝐛𝐨𝐧𝐚 𝐧𝐚𝐧𝐚𝐫𝐢𝐧𝐚 𝐥𝐚̀𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐢𝐦𝐛𝐚 𝐭𝐚𝐦𝐢𝐧`𝐧𝐲 𝐑𝐍32 𝐛𝐢𝐬

Posted by - avril 18, 2024 0
𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐅𝐨𝐤𝐨𝐧𝐨𝐥𝐨𝐧𝐚 𝐚𝐯𝐲 amin’ny 𝐟𝐨𝐤𝐨𝐧𝐭𝐚𝐧𝐲 11 𝐧𝐢𝐟𝐚𝐫𝐢𝐦𝐛𝐨𝐧𝐚 𝐧𝐚𝐧𝐚𝐫𝐢𝐧𝐚 𝐥𝐚̀𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐢𝐦𝐛𝐚 𝐭𝐚𝐦𝐢𝐧`𝐧𝐲 𝐑𝐍32 𝐛𝐢𝐬 (𝑵𝒂𝒏𝒂𝒎𝒑𝒚 𝒊𝒓𝒆𝒐 𝒇𝒐𝒌𝒐𝒏𝒐𝒍𝒐𝒏𝒂 𝒕𝒂𝒎𝒊𝒏`𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒂𝒕𝒓𝒆𝒉𝒂𝒏𝒂 𝒊𝒛𝒂𝒏𝒚…

𝐅𝐚𝐡𝐚𝐭𝐬𝐢𝐚𝐫𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐨𝐥𝐨-𝐩𝐚𝐧𝐚𝐟𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚 𝟐𝟗 𝐌𝐚𝐫𝐭𝐬𝐚 𝟏𝟗𝟒𝟕 𝐭𝐞𝐭𝐨 𝐌𝐨𝐫𝐚𝐦𝐚𝐧𝐠𝐚

Posted by - mars 29, 2024 0
« 𝐅𝐈𝐓𝐈𝐀𝐕𝐀𝐍-𝐓𝐀𝐍𝐈𝐍𝐃𝐑𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐎 𝐅𝐎𝐓𝐎𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐒𝐎𝐀𝐍𝐀 » 𝐅𝐚𝐡𝐚𝐭𝐬𝐢𝐚𝐫𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐨𝐥𝐨-𝐩𝐚𝐧𝐚𝐟𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚 𝟐𝟗 𝐌𝐚𝐫𝐭𝐬𝐚 𝟏𝟗𝟒𝟕 𝐭𝐞𝐭𝐨 𝐌𝐨𝐫𝐚𝐦𝐚𝐧𝐠𝐚 Ny Minisitry ny fiarovam-pirenena no nitarika ny…