Ady amin’ny famarinan’olombelona sy asa an-tery mifandraika amin’ny fanandevozana

140 0
𝐑𝐀𝐇𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐑𝐀𝐑𝐀𝐎𝐓𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐄𝐑𝐀-𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐌𝐀𝐋𝐀𝐆𝐀𝐒𝐘 𝐍𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐎𝐕𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐒𝐀 𝐀𝐍-𝐓𝐄𝐑𝐈𝐕𝐎𝐙𝐎𝐍𝐀 𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐂𝐀𝐌𝐁𝐎𝐃𝐆𝐄 : 𝐋𝐄𝐇𝐈𝐋𝐀𝐇𝐘 𝐈𝐑𝐀𝐘 𝐕𝐎𝐀𝐒𝐀𝐌𝐁𝐎𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐏𝐎𝐋𝐈𝐒𝐈𝐌𝐏𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀 𝐀𝐑𝐘 𝐄𝐅𝐀 𝐍𝐈𝐃𝐎𝐁𝐎𝐊𝐀 𝐀𝐌-𝐏𝐎𝐍𝐉𝐀.
🚔 Ady amin’ny famarinan’olombelona sy asa an-tery mifandraika amin’ny fanandevozana
📅 Nosamborin’ny Polisy miasa ao amin’ny Service Central des Enquêtes Spécialisées et de la Lutte contre les Fraudes (SCESLF) ny 31 oktobra 2025 ny lehilahy iray, izay tompon’antoka amin’ny raharaha famarinan’olombelona ka nahavoakasika teratany malagasy maromaro tany Cambodge ny fiandohan’ny volana Oktobra 2025 teo.
🌍 Niely tao amin’ny tambajotra Facebook ny sary mampiseho ny fiainan’ireo tanora malagasy nila ravinahitra tany Cambodge izay niharan’ny fanararaotana sy asa an-terivozona ka miendrika famarinan’olombelona izany.
🕵️‍♀️ Araka ny fanadihadiana nataon’ny Polisimpirenena tamin’ireo lasibatra dia tao amin’ny tambajotran-tserasera Facebook, WhatsApp na TikTok no nahitàn’izy ireo tolotr’asa na ihany koa fampiofanana arak’asa any Cambodge. Fampiofanana arak’asa maimaim-poana ary arahana tolotr’asa izy io, na asa avy hatrany izay lazaina fa tafiakatra 700 Dolara na maherin’ny 3 tapitrisa ariary ny karama.
🚫 Rehefa tonga tany amin’ilay toerana niasàna anefa dia nogiazana avy hatrany ny pasipaoro sy ny antontan-taratasy rehetra momba azy ireo, nambenana tamin’ny mpiambina mitam-basy, ary nampanaovina asa an-terivozona toy ny fisolokiana amin’ny internet.
🇲🇬 Miisa 16 mianadahy no efa tafody eto Madagasikara tamin’ireo malagasy nampiasaina nampanaovina asa an-terivozona tany Cambodge ireo ankehitriny, ary efa misy voasambotry ny Polisy any an-toerana ny tompon’antoka tamin’izany.
🔎 Tamin’ny fanadihadiana ihany koa no nahafantarana an’ilay malagasy izay mpifandray amin’ireo avy any Cambodge ka manamora ny fikarakaràna ny fandefasana azy ireo any. Samy nakan’ilay tompon’antoka 5 alina sy 7 hetsy ariary avy ireo lasibatra. Nahazo 25 dolara na 1 hetsy ariary isan’olona tamin’ireo malagasy nalefany tany ivelany kosa izy tamin’ireo olona avy any Cambodge miray tsikombakomba aminy.
⚖️ Rehefa natolotra ny fampanoavana ity lehilahy ity ny 3 novambra 2025 dia nampidirina am-ponja vonjimaika eny Antanimora.
📢 Ny Polisimpirenena dia manentana hatrany ny mpiray Tanindrazana mba hitandrina tsara sy hanamarina hatrany amin’ireo tolotra asa any ivelany mba hisorohana ny tranga tahaka izao. Mbola mitohy ny fanadihadiana raha ny mahakasika an’ity raharaha ity manokana.
— 𝗡𝗮𝗱𝗶𝗸𝗮 𝗺𝗮𝗻𝗼𝗻𝘁𝗼𝗹𝗼 𝗮𝘃𝘆 𝗮𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗧𝗮𝗸𝗲𝗹𝗮𝗸𝘆 𝗻𝘆 𝗣𝗼𝗹𝗶𝘀𝗶𝗺-𝗽𝗶𝗿𝗲𝗻𝗲𝗻𝗮 𝗠𝗮𝗹𝗮𝗴𝗮𝘀𝘆 —

Related Post

𝐋𝐀𝐕𝐎𝐍’𝐍𝐘 𝐁𝐀𝐋𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐙𝐀𝐍𝐃𝐀𝐑𝐈𝐌𝐀𝐑𝐈𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐈𝐋𝐀𝐌𝐄𝐍𝐀 𝐈𝐋𝐀𝐘 𝐊𝐀𝐑𝐓𝐈𝐄 𝐌𝐎𝐁𝐈𝐋𝐘 𝐃𝐀𝐇𝐀𝐋𝐎 « 𝐑𝐀𝐊𝐎𝐓𝐎𝐒𝐎𝐀 𝐃𝐈𝐓 𝐊𝐎𝐓𝐎

Posted by - mars 24, 2025 0
𝘽𝙀𝙏𝘼𝙇𝙀𝙑𝘼𝙉𝘼 𝙎𝙔 𝘼𝙈𝘽𝘼𝙏𝙊𝙈𝘼𝙇𝘼𝙈𝘼, 𝙁𝙊𝙆𝙊𝙉𝙏𝘼𝙉𝙔 𝘼𝙉𝙄𝙎𝘼𝙉’𝙄𝙍𝙀𝙊 𝙈𝘼𝙁𝘼𝙉𝘼 𝘼𝙈𝙄𝙉’𝙉𝙔 𝙃𝘼𝙇𝘼𝙏𝙍’𝙊𝙈𝘽𝙔 𝘼𝙊 𝘼𝙈𝙄𝙉’𝙉𝙔 𝙆𝘼𝙊𝙈𝙄𝙉𝙄𝙉𝘼 𝘼𝙈𝘽𝘼𝙉𝙄𝙑𝙊𝙃𝙄𝙏𝙍𝘼 𝘽𝙀𝙈𝘼𝙄𝙏𝙎𝙊, 𝘿𝙄𝙎𝙏𝙍𝙄𝙆𝘼 𝘼𝙉𝘿𝙄𝙇𝘼𝙈𝙀𝙉𝘼. Nirotsaka tany an-toerana ny Komandà…