FARITRA SOFIA | TSIZARIZARY NY FITAOVAM-PAMPIANARANA AO AMIN’NY EPP ANTANANDAVA

239 0
FARITRA SOFIA | TSIZARIZARY NY FITAOVAM-PAMPIANARANA AO AMIN’NY EPP ANTANANDAVA MAROVATO CISCO PORT-BERGE. LANY HERY TAMIN’NY FANAOVANA LATSAKEMBOKA NY FOKONOLONA KA MILA TOHANA.
Na dia nanao ezaka tamin’ny fomba rehetra aza ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra ao amin’ny EPP Antanandava Antsirasira kaominina Marovato, Disitrikan’i Port-Bergé fa tsy nahavita tanteraka ny fanatsarana ny toeram-pianarana ao an-toerana. Nanao ain-tsy ho zavatra izy ireo nampitsangana sy nanafo ny trano saingy misedra olana hafa amin’izao. Etsy ankilany sahirana ny ankamaroan’ny tantsaha satria ambany ny vidim-bokatra ka tsy manam-bola ikarakarana ny sekoly izy ireo.
Manoloana an’izany dia mangetaheta fanampiana avy amin’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny ny fokonolona ao an-toerana. Simba ny tafon’ny trano fianarana, tsy manana varavarana sy lafika ( dallage) ihany koa. Tsy seza fipetrahana afa-tsy efatra ihany ny sekoly hany ka mipetraka eo amin’ny tany ireo ankizy.
Trano fianarana iray manana efitra roa no anabeazana an’ireo mpianatra ao amin’ny EPP Antanandava ity. 100 Km miala an’i Port-Bergé renivohitra Disitrika ity toerana, mahatsiaro ho lavitra andriana ny Ray aman-dReny Sojabe satria tsy misy mpijery sy mpiahy amin’ny lafiny maro izy ireo hoy ny fanamarihana toy ny fampianarana, momba ny vidim-bokatra ary ny lalana izay maharary azy ireto.
Nangonin’i Gabin Eloi.

Related Post

𝐌𝐀𝐍𝐀𝐆𝐀𝐓𝐀𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐇𝐀𝐌𝐈𝐓𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝟎𝐍𝐈𝐕𝐄𝐑𝐒𝐈𝐓𝐄 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐄𝐍𝐀𝐁𝐄 𝐍𝐘 𝐁𝐄𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐁𝐄𝐌𝐀𝐍𝐎𝐍𝐆𝐀

Posted by - février 16, 2025 0
𝙉𝒚 𝒗𝙤𝒍𝙖𝒏𝙖 𝙖𝒑𝙧𝒊𝙡𝒚 2022 𝙣𝒐 𝒏𝙤𝒕𝙤𝒌𝙖𝒏𝙖𝒏𝙖 𝙣𝒚 𝒅𝙤𝒓𝙩𝒐𝙞𝒓 𝒉𝙤 𝙖𝒏’𝒏𝙮 𝙤𝒏𝙞𝒗𝙚𝒓𝙨𝒊𝙩𝒆 𝒉𝙤 𝙖𝒏’𝒏𝙮 𝙛𝒂𝙧𝒊𝙩𝒓𝙖 𝙈𝒆𝙣𝒂𝙗𝒆 𝒊𝙯𝒂𝙮 𝙢𝒂𝙯𝒂𝙠𝒂 𝒎𝙥𝒊𝙖𝒏𝙖𝒕𝙧𝒂 300 𝒉𝙖𝒕𝙧𝒂𝙢𝒊𝙣’𝙞𝒛𝙖𝒐…