AKON’NY FITSARANA

104 0
βš–οΈπ…πˆπƒπˆππ€ππ€ πˆπ…πŽπ“πŽππ˜ π„π“πŽ π€πŒππŽπ•πŽπŒππ„
—–
πŸ“† : 25/Aprily/2024
πŸ“ŒNigadona anio Alakamisy 25 Aprily 2024 eto amin’ny faritr’Ambovombe ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, nitsidika ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany sady nanao dinik’asa ho fanatsarana ny fitantanana ho tombontsoa an’ireo vahoaka.
β­•Tao anatin’izany no nanoloran’ny Minisitra solosaina 3 miaraka amin’ny « imprimanteΒ Β» iray. Teo ihany koa ny nitondrana fanazavana sy fizarana ireo diary fanarahan-draharaha eo anivon’ny Fitsarana.
βœ…Ny fidinana ifotony toy izao dia ilaina mba hahitana ny zava-misy tokoa hitondrana fanavaozana.
Fifamindram-pahefana
πŸ“† 23 aprily 2024
 
πŸ“ŒNotanterahina anio talata faha 23 aprily 2024 teto amin’ny Minisiteran’ny Mponina sy ny Firaisan-kina Ambohijatovo ny fifamindram-pahefana teo amin-dRamatoa π…πŽπŒπ„ππƒπ‘π€π™π€ π‡πšπ’π§π π¨ 𝐄π₯𝐒𝐬𝐞𝐭𝐭𝐞 Minisitry ny Mponina sy ny Firaisan-kina teo aloha sy Ramatoa π‘π€ππƒπ‘πˆπ€πŒπ€ππ€ππ“π„ππ€π’πŽπ€ π‹πšπ§ππ² πŒπ›π¨π₯𝐚𝐭𝐒𝐚𝐧𝐚, Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana/Minisitry ny Mponina sy ny Firaisan-kina mpisolo toerana.
β˜‘οΈVonona hanohy ny asa ary hifanolo-tanana amin’ny mpiara-miasa rehetra ny Minisitra π‘π€ππƒπ‘πˆπ€πŒπ€ππ€ππ“π„ππ€π’πŽπ€ π‹πšπ§ππ² πŒπ›π¨π₯𝐚𝐭𝐒𝐚𝐧𝐚.
 
βš–οΈπ…πšπ¦π©π’π«π¨π›π¨π«π¨π›π¨πšπ§πš 𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐨𝐑𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐒𝐧𝐝𝐨𝐬𝐭𝐫𝐒𝐚
πŸ“† 22 aprily 2024
 
πŸ“ŒVoafaritra ao anatin’io Andry lehibe faharoan’ny politikam-pitantanam-panjakana (PGE) ankehitriny io ny sehatry ny indostria sy ny sehatra tsy miankina.
➑️Noho Izany dia nisy ny fivoriana niarahan’ny Ministeran’ny Fitsarana sy ny Banky Foiben’i Madagasikara, ny CSBF, ny fikambanan’ireo mpandray anjara amin’ny sehatra ara-bola toy ny Banky mivondrona ao amin’ny APB, ireo Tranom-piantohana ao anatin’ny AEAM, ireo banky mpampindram-bola mandinika ao amin’ny APIMF, ary ny sehatra tsy miankina toy ny SIM, GEM, FivMpaMa.
β­•Natao izao fivoriana izao mba hisian’ny fifampizarana ireo olana sedrain’ireo sehatra ireo ny amin’ny raharaham-pitsarana, ary ihany koa nanaovana fifanakalozana mba hahitana vahaolana mifandraika amin’izany, ka hanatsarana ny kalitaon’ny asa-pitsarana sy mba ho tombotsoan’ny rehetra.
Maro ny teboka nivoitra tao anatin’izany ka tsy maintsy handraisana lamina sy fiaraha-miasa eo amin’ny samy mpandray anjara.
Fivorian’ny OMC tao Amboasary Avaratra, Anjozorobe ary tao Amborontarakely, Ankazobe
 
πŸ“† 21 aprily 2024
 
 
Lapan’i Mahazoarivo – 21 aprily 2024 – Nohon’ny trangana fangalana olona an-keriny mitohy ataon’ireo jiolahy ato amin’ny distrikan’i Anjozorobe sy Ankazobe dia namory ny OMC taty Amboasary Avaratra sy Amborontarakely ny Praiministra, Lehiben’ny Governemanta Ntsay Christian niaraka tamin’ireo ministra tomponan’antoka voalohany amin’ny filaminana sy ny fandriampahalemana. Nandray anjara tamin’izany fihaonana izany ihany koa ireo olom-boafidy nahitΓ na ireo Ben’ny tanΓ na sy ireo solontenam-panjakana foibe sy ireo taty an-toerana.
Nodinihina lalina ny zava-misy marina sy ny fototry ny olana rehetra ka napetraka ny paikady hiadina amin’ny asa ratsy fakana an-keriny.
 
Nanamarika ny rehetra fa vonona hanatanteraka ny adidy sy andraikitra manandrify ny tsirairay.
 

Related Post

Mandritsara | Voapetraka amin’ny toerany ny Mpampanoa lalΓ na vaovao

Posted by - juillet 7, 2024 0
(𝖡𝗂𝗇𝖺 π—π–Ύπ—…π—ˆ π—‡π—ˆ 𝖾𝗇𝗍𝗂𝗇𝗒 𝗆𝖺𝗇𝖺𝗍𝖺𝗇𝗍𝖾𝗋𝖺𝗄𝖺 𝗇𝗒 π–Ίπ—Œπ–Ίπ—‡π—’) Miompana am𝗂n`ny paikady 3 lehibe ny vinam-pitantanan`ny tonia mpampanoa lalΓ na vaovao eto Mandritsara,…

Nahazo Solosaina ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Ambositra.

Posted by - mai 26, 2024 0
π…π€ππŽπ‹πŽπ‘π€ππ€ π’πŽπ‹πŽπ’π€πˆππ€ π‡πŽ 𝐀𝐍’𝐍𝐘 πŒπˆππˆπ’π“π„π‘π€ π…πŽπˆππ„ π’π˜ 𝐍𝐘 π…πˆπ“π’π€π‘π€ππ€ π€πŒππ€π‘π€π“πŽππ†π€ π•πŽπ€π‹πŽπ‡π€ππ˜ π€πŽ π€πŒππŽπ’πˆπ“π‘π€ Zoma 24 mey 2024, ao anatin’ny ezaka…

Fankalazana ny Iray volan’ny Ankizy : Zo fototra ny fanana Kopia

Posted by - juin 10, 2024 0
π—™π—”π—‘π—žπ—”π—Ÿπ—”π—­π—”π—‘π—” 𝗑𝗬 π—œπ—₯𝗔𝗬 π—©π—’π—Ÿπ—”π—‘’𝗑𝗬 π—”π—‘π—žπ—œπ—­π—¬: 𝗭𝗒 𝗙𝗒𝗧𝗒𝗧π—₯𝗔 𝗑𝗬 𝗙𝗔𝗑𝗔𝗑𝗔𝗑𝗔 π—žπ—’π—£π—œπ—”. Ho fanokafan’ny Ministeran’ny Fitsarana ny fankalazana ny iray volan’ny ankizy…