PORT-BERGE | NATSAHATRA NIANATRA AVOKOA IREO MPIANATRA AO AMIN’NY EPP ANKOBY ZAP MAEVARANOHELY TAORIAN’NY FAHASIMBAN’NY TRANO FIANARANA 05 VOLANA LASA IZAY.

153 0
 
Sekolim-panjakana mitazona laharana voalohany amin’ny fahambonian’ny taham-pahafahana amin’ny valim-panadinana CEPE eo anivon’ny ZAP Maevaranohely ny ao amin’ny EPP Ankoby I, 80km mahery miala an’i Port-Bergé. Trano ahitana efitra roa ihany no ananan’ity toeram-panovozana fahalalana sy fanabeazana ity hatramin’izay.
Mampalahahelo anefa dia natsahatra nianatra avokoa ireo ankizy mpianatra ao amin’ny EPP Ankoby ity nanomboka tamin’ny volana Desambra 2023. Narodan’ny andro ratsy nisy rivotra mahery ny efitrano fianarana. Hatramin’izao volana Aprily 2024 izao dia tsy mbola tafaverina an-tSekoly izy ireo satria tsy mbola nisy fanamboarana ny trano fianarana.
 
Nitaraina tamin’ny tompon’andraikitra ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra, nanao tatitra tamin’ny ambaratongan-tsehatra ny mpitantana sekoly, araka ny fanazavana voaray. Nanamafy an’izany izy ireo nandritra ny fandalovan’ny mpanao gazety tany an-toerana androany zoma 12 Aprily.
 
🖋️Gabin Eloi

Related Post

𝗟𝗬𝗖𝗘𝗘 𝗣𝗢𝗟𝗘 𝗠𝗢𝗥𝗢𝗡𝗗𝗔𝗩𝗔 𝗛𝗔𝗥𝗘𝗡𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗙𝗘𝗙𝗙𝗜 𝗦𝗬 𝗡𝗬 𝗠𝗔𝗜𝗡𝗧𝗜𝗠𝗢𝗟𝗔𝗟𝗬

Posted by - septembre 9, 2024 0
𝑨𝒓𝒂𝒌𝒚 𝒏𝒚 𝒅𝒊𝒅𝒊𝒎-𝒑𝒂𝒏𝒋𝒂𝒌𝒂𝒏𝒂 𝒍𝒂𝒉𝒂𝒓𝒂𝒏𝒂 2024-068 𝒕𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 23 𝑱𝒂𝒏𝒐𝒂𝒓𝒚 2024 𝒊𝒛𝒂𝒚 𝒎𝒊𝒕𝒂𝒌𝒚 𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒏𝒂𝒗𝒂𝒐𝒛𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝑭𝑬𝑭𝑭𝑰 𝒆𝒏𝒚 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝑬𝑷𝑷 𝒔𝒚 𝑪𝑬𝑮…