Marary ny fampianarana teknika sy fampihofanana arak’asa hoy ny minisitra Lalatina Rakotondrazafy

83 0

Nohon’ny fiarahamiasa eo amin’ny fikambanana IO’RENALA sy ny ministeran’ny fampianarana teknika sy fampihofanana arak’asa dia tonga nitsidika ny faritra Menabe ny minisitrin’ny fampianarana teknika sy fampihofanana arak’asa nanome voninahitra ny lanonana fanomezana ny marim_pakasitrahana ireo tanora navita fiofanana mikasika ny mekanika momban’ny Bajaj izay no karakarain’ny fikambanana IO’RENALA ka tanora 40 no nisitraka izany ary misy ireo hiditra eo amin’ny sehatry ny asa avy hatrany ao koa ireo mbola hanoy ny fianarany. Tao anatin’ny 5 andro moa no niofanan’ireo tanora ireo ary androany voalohany volana Martsa no notolorana ny taratasy fanamarinana ny favitany ny fiofanana izy ireo izay lanonana notarihiny minisitrin’ny fampianarana teknika sy fampihofanana arak’asa ary notronon’ireo tomponandraikim-panjakana ato Menabe.


Isany ezaka ataon’ny IO’Renala ny fampivoarana ny tanora tsy eo amin’ny sehatry ny fanatanjahan-tena ihany fa eo koa ny lafiny sosialy ka izay no nanaovana izao fiofanana izao mba hafahan’ny tanora manana asa entina mihary ka vonona hatrany ny IO’Renala hanampy ny tanora amin’ny dingana makany amin’ny fahombiazana hoy ny Filohan’ny IO’Renala Mario Rosario.


Mankasitraka ireo mpiofana indrindra fa ireo vehivavy ramatoa Lalatina Rakotondrazafy minisitry ny fampianarana teknika sy fampihofanana arak’asa satria niezaka sy hiasa ireo tanora ary indrindra ny zoto_po hananan’ ireo tanora hiofana vonona hamorona asa.


Faritra maro eto Madagasikara no efa mampiasa Bajaj ka azo heverina hoy ramatoa minisitra ny hanitarana ny fiofanana, nanome Hafatra ireo tanora moa izy ny mba tonga dia hiditra eo amin’ny sehatry ny asa fa tsy hiandry fitaovana raitra vao hiasa ary nanentana koa izy ny hanitarana ny fahaizana satria ny fiainana dia fianarana hatrany, nitondra fisaorana ny fikambanana IO’RENALA sy ny mpampiofana ramatoa minisitra ary mangataka ny fiarahamiasa hatrany ny ministera hoy izy, nilaza koa izy fa mijery ny azo hanampiana ireo tanora vao navita fiofanana ireto mba afaka miditra eo amin’ny sehatry ny asa.


Omaly 29 febroary moa Ramatoa minisitra Lalatina Rakotondrazafy no nigadona teto Morondava ka asa tagnamaro avy hatrany no notanterahina tao amin’ny Lycée technique et professionnel Morondava izay niarahana ireo tomponandraikim-panjakana ato Menabe ary ny fikambanana IO’RENALA, nandritrin’izany no nitokanana ny efitrano roa izay natolotry ny fikambanana IO’RENALA ho LTP Morondava.


Taorian’izay no nitafa tamin’ny mpanao gazety ramatoa minisitra ka nilazany fa marary ny fampianarana teknika sy fampihofanana arak’asa eto Madagasikara amin’ny lafiny foto_drafitr’asa sy tsy fampian’ny mpampianatra sy mpampiofana ka ezaka lehibe ataon’ny Minisitra miaraka ireo ekipany mba hijery ireo olona sy hametraka vahaolana maharitra mba hapirborobo ny fampianarana teknika sy fampihofanana arak’asa, isany nanotanian’ny mpanao gazety azy ny mikasika ny tranoben’ny serasera sy kolontsaina Morondava ka nilaza izy fa efa nafantatra ny ministera fa tsy afaka manohy ny asa ireo mpanao ny asa fa efa mandeha ny fanadihadiana ary efa tafiditra tanatin’ny fifamin_drampitatana hoy izy io ka ny minisitra nandimby toerana azy no manohy ny mikasika io tranoben’ny serasera sy kolontsaina Morondava io.

Nangonin’i Ra pa – Menabe

Related Post

Fédération Malagasy de Kung-Fu Wisa

Posted by - décembre 17, 2023 0
𝐅𝐞́𝐝𝐞́𝐫𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐌𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲 𝐝𝐞 𝐊𝐮𝐧𝐠-𝐅𝐮 𝐖𝐢𝐬𝐚 — 15 décembre 2023 Tontosa ny: FIVORIAMBE ARA-POTOANA FIVORIAMBE TSY ARA-POTOANA Nanomboka tamin’ny 09h00 maraina…