Gendarmerie Sud-Est  | Nahitambokatra fampandriantany ao Ankarana sy Iabohazo

219 0
Ho tohin’ny fampandriantany ao Ankarana sy Iabohazo dia nalefa hisava ny ala tao Marovandrika sy Maheritraka kaominina Iabohazo izay mahavery dia matetika ny omby ny zandary sy miaramila mpampandry tany ny 29 febroary 2024 vao maraina.
 
Vao nahita azy ireo ny dahalo niandry izany dia nirifatra nandositra fa navelany teo ireo omby 20 nentiny izay navorin’ny mpitandro filaminana.
 
Noroasina ary nampidirina ambala famonjana ao Maropanahy ireo omby 20 miandry izay mety ho tompony miaraka amin’ny  taratasy fanamarinana. Ny zandary sy miaramila miaraka amin’ny vatandehilahy no miantoka ny fiambenana.
 
Mitohy ny fikarohana ireo zohy fanafenana omby halatra hafa.

Related Post

NAKOTROKA NY FANKALAZANA NY TAOM-BAVAO MALAGASY TATY AMIN’NY FARITRA ALAOTRA MANGORO

Posted by - mars 12, 2024 0
𝐍𝐀𝐊𝐎𝐓𝐑𝐎𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐊𝐀𝐋𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐎𝐌-𝐁𝐀𝐕𝐀𝐎 𝐌𝐀𝐋𝐀𝐆𝐀𝐒𝐘 𝐓𝐀𝐓𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐋𝐀𝐎𝐓𝐑𝐀 𝐌𝐀𝐍𝐆𝐎𝐑𝐎 — 👉Nankalaza ny taom-baovao Malagasy ny taty amin’ny Faritra…