ANDRON’NY SEKOLY CISCO AMPARAFARAVOLA

512 0

Notanterahana androany Alarobia 28 Febroary 2024 tao amin’ny ZAP Vohimena ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny andron’ny Sekoly ho an’ny Cisco Amparafaravola.

Nanontrona sy nanome vonihitra izany ireo solombavam-bahoaka sy olo-manakaja sivily sy miaramila, ary tamin’io fotoana io ihany koa no nanolorana mari-pakasitrahana ireo mpampianatra mendrika eo anivon’ny Cisco.

Fantatra moa fa nisy mpianatra 05 nisolo tena ny Cisco Amparafaravola nihatrika fifaninana ara-panatanjahan-tena tany Zimbabwé farany teo ka dia niarahaba sy nirary soa azy ireo ny Solombavam-bahoaka Émiline RAKOTOBE sady nanolotra fanomezana ihany koa ho fampirisihana azy ireo hanao ny tsatsakokoa hatrany.

Tao aorian’ny lanonana dia niroso tamin’ny fambolem-kazo 🌱🌱 tao amin’ny tanin’ny CEG Vohimena ny rehetra ho fanokafana ny taom-pambolen-kazo antsekoly ho an’ny Cisco Amparafaravola.

Nangonin’i Lova – Ambato

Related Post

Fédération Malagasy de Kung-Fu Wisa

Posted by - décembre 17, 2023 0
𝐅𝐞́𝐝𝐞́𝐫𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐌𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲 𝐝𝐞 𝐊𝐮𝐧𝐠-𝐅𝐮 𝐖𝐢𝐬𝐚 — 15 décembre 2023 Tontosa ny: FIVORIAMBE ARA-POTOANA FIVORIAMBE TSY ARA-POTOANA Nanomboka tamin’ny 09h00 maraina…