ANDRON’NY SEKOLY CISCO AMPARAFARAVOLA

309 0

Notanterahana androany Alarobia 28 Febroary 2024 tao amin’ny ZAP Vohimena ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny andron’ny Sekoly ho an’ny Cisco Amparafaravola.

Nanontrona sy nanome vonihitra izany ireo solombavam-bahoaka sy olo-manakaja sivily sy miaramila, ary tamin’io fotoana io ihany koa no nanolorana mari-pakasitrahana ireo mpampianatra mendrika eo anivon’ny Cisco.

Fantatra moa fa nisy mpianatra 05 nisolo tena ny Cisco Amparafaravola nihatrika fifaninana ara-panatanjahan-tena tany Zimbabwé farany teo ka dia niarahaba sy nirary soa azy ireo ny Solombavam-bahoaka Émiline RAKOTOBE sady nanolotra fanomezana ihany koa ho fampirisihana azy ireo hanao ny tsatsakokoa hatrany.

Tao aorian’ny lanonana dia niroso tamin’ny fambolem-kazo 🌱🌱 tao amin’ny tanin’ny CEG Vohimena ny rehetra ho fanokafana ny taom-pambolen-kazo antsekoly ho an’ny Cisco Amparafaravola.

Nangonin’i Lova – Ambato

Related Post

𝐅𝐈𝐓𝐀𝐋𝐄𝐕𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐁𝐄𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍’𝐈 𝐌𝐀𝐍𝐈𝐀

Posted by - avril 16, 2025 0
𝐅𝐈𝐓𝐀𝐋𝐄𝐕𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐁𝐄𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍’𝐈 𝐌𝐀𝐍𝐈𝐀 𝐂𝐈𝐒𝐂𝐎 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀/ 𝐙𝐀𝐏 𝐀𝐍𝐊𝐀𝐙𝐎𝐀𝐌𝐁𝐎 𝐎𝐍𝐆 « 𝐒𝐄 𝐓𝐄𝐍𝐃𝐑𝐄 𝐋𝐀 𝐌𝐀𝐈𝐍 »/ 𝐅𝐎𝐍𝐃𝐀𝐓𝐈𝐎𝐍 𝐀𝐗𝐈𝐀𝐍/𝐘𝐀𝐒 𝑵𝑶𝑻𝑶𝑲𝑨𝑵𝑨𝑵𝑨 𝑵𝒀 𝑬𝑷𝑷 𝑨𝑴𝑷𝑨𝑵𝑨𝒁𝑨𝐕𝑨…