FIFIDIANANA TOKONY NAVERINA NEFA TSY NAVERINA MITAKY NY VOLANY IREO KANDIDA

245 0

πŸ“Œ Isan’ireo kaominina vitsivitsy tokony hamerina ny fifidianana ben’ny tanana farany teo ny kaominina ambonivohitry Morondava saingy tapitra ihany ny fitoam-pitondran’ireo ben’ny tanana izay niara nofidiana tamin’izany saingy tsy nisy ny fanatanterahina ny didy izay navoakan’ny fitsarana fa dia ben’ny tanana mpisolo toerana no nitondra hamin’ny nametrahan’ny ben’ny tanana fialana satria isan’ireo nilatsaka ho fidiana ny ben’ny tanana tamin’izany koa takian’ireo kandida ny famerenana ny latsakemboka izay nalohan’izy ireo mba hiatrehan’izy ireo ny fifidianana ho avy indray hoy andriamatoa Mamy Clavier izay isan’ireo kandida tamin’izany ary tokony ho lany fa noho izy tsy miankina dia tratrany hatsonjay ka voatery naverina ny fifidianana. Raha jerena tokoa ny zavanisy tamin’izany dia lazaina fa nisy olana ny fifidianana ben’ny tanana tamin’izany ka tsy fantatra mazava ilay olana fa ny mpifidy no saziana hamerina hifidy indray saingy tsy nisy tohiny izany fifidianana izany hatramin’izao .

πŸ“Œ Vokatr’izay tsy fisian’ny ben’ny tanana voafidim-bahoaka izany moa dia tsy mandeha ny fitantanana ny kaominina ambonivohitry Morondava satria voafetra ny andraikitry ny ben’ny tanana mpisolo toerana ka mikorotana tanteraka ny tsena sy ny fifamoivoizana eto Morondava, ny fako tsy voaroaka intsony , na ny famantarana amin’ny arabe aza tsy misy intsony , ny fanotorana tany samy manao izay tiany ary misy olona ambony mintsy no mitarika izany fanotorana tany izany, ireo mpivarotra eny amin’ny arabe aza moa dia olona akaiky ny olomboafidy iray no isany mametraka cash point eny amin’ny arabe nefa dia jerena fotsiny satria tsy manana fahefana amin’ireny hoe ny Ben’ny tanana mpisolo toerana ary misy mpiasan’ny kaominina ao koa misy miseho ambonin’ny Ben’ny tanana mpisolo toerana satria misy mpiaro ka manome alalana ireo mpanao gaboraraka efa nisy moa ny torimarika nomen’ny PrΓ©fet an’ny Morondava ny ben’ny tanana mpisolo toerana ka hametraka fitoriana io mpiara miasa aminy io ary hanalana ireo mpivarotra sy trano tsy ara-dalana ireny tamin’ny faran’ny taona teo saingy hatreto tsy misy vokany izany.

.. nisy moa ny torimarika nomen’ny PrΓ©fet an’ny Morondava ny ben’ny tanana mpisolo toerana ka hametraka fitoriana io mpiara miasa aminy io…

πŸ“Œ Koa manao antso avo ny rehetra mba hijeren’ny tomponandraikitra rehetra vahaolana maharitra fa simba tanteraka ny renivohitry ny faritra Menabe Nanararaotra nisaotra ny filoha sy ny praiminisitra moa andriamatoa Mamy Clavier tamin’ny tafa nifanaovana taminy ny nanomezan’ny minisitra ho an’ny Menabe ary niarahaba ny minisitra Haja AndrΓ© Resampa izy ary manatena vokatry amin’ny fampandrosoana ny faritra Menabe amin’izao naha voatendry azy izao indray fa tsy toin’ny teo aloha

πŸ†” Nangonin’i Ra Pa – Menabe

Related Post

Vovonan’ny Firaisankina Madagasikara an’ny Malagasy Avaradrano | Tafapetraka ny atotan-taratasy

Posted by - avril 4, 2024 0
π…πˆπ‘π€πˆπ’π€π-πŠπˆππ€ π€π•π€π‘π€πƒπ‘π€ππŽ | π“π€π…π€ππ„π“π‘π€πŠπ€ 𝐍𝐘 π“π€π‘π€π“π€π’π˜ π…πˆπ‹π€π“π’π€π‡π€π-πŠπŽπ…πˆπƒπˆπ€ππ€ π‡πŽ π’πŽπ‹πŽπŒππ€π•π€πŒππ€π‡πŽπ€πŠπ€π’𝐈 πŒπ€πƒπ€π†π€π’πˆπŠπ€π‘π€ —- Androany faha 03 volana Avril ny taona 2024 no…