๐€๐…๐ˆ๐Œ: ๐Œ๐€๐๐ˆ๐“๐€๐“๐‘๐€ ๐๐˜ ๐€๐’๐€ ๐‡๐Ž ๐…๐€๐๐Ž๐‡๐€๐๐€๐๐€ ๐ˆ๐‘๐„๐Ž ๐…๐ˆ๐Š๐€๐Œ๐๐€๐๐€๐๐€ ๐„๐๐˜ ๐ˆ๐…๐Ž๐“๐Ž๐๐˜

319 0
Manohy manitatra ny tambajotra sy mampahafantatra ny asa sahaniny manerana anโ€™i Madagasikara ny AFIM, na ny Aingabenโ€™ny Fanavaozana Ifotony ho anโ€™i Madagasikara. Vovonanโ€™ireo fikambanana manana tetikasa mikendry ny fampandrosoana ny firenena izy ity, ary nijoro taminโ€™ny faramparanโ€™ny volana Janoary 2026.
Araka ny fanazavana voaray, efa manana solontena sy mpikambana aminโ€™ny distrika maro manerana anโ€™i Madagasikara ny AFIM. Tafiditra ao anatinโ€™ny fanitarana ny asany ny fihaonana sy ny fampiofanana notanterahina ny 3 Septambra 2026, tao aminโ€™ny Kaominina Fieferana, Distrikanโ€™Antananarivo Avaradrano.
Ny filoha nasionalinโ€™ny AFIM, Maรฎtre RAKOTOARISONA Vincent Vladimir, notroninโ€™ireo mpikambana ao aminโ€™ny Birao Nasionaly, no nitarika ny fifampizarana sy ny fampiofanana. Fikambanam-behivavy maro no nandray anjara taminโ€™izany, ka nifantoka indrindra taminโ€™ny fanomezana fahalalana sy tan-tsoroka ho fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra ny hetsika.
Nohazavaina nandritra ny fihaonana fa vovonana mikaroka sy manamora ny fahazoanโ€™ireo fikambanana fanohanana ara-bola sy ara-teknika ny AFIM. Tsy olon-tsotra no raisina ho mpikambana ao aminy, fa fikambanana efa mijoro ara-dalร na sy manana antontan-taratasy mifanaraka aminโ€™izany.
Araka ny nambaranโ€™ny filoha nasionaly, fikambanana maherinโ€™ny 2 000 no efa mpikambana ao anatinโ€™ny vovonana AFIM hatraminโ€™izao. Nohamafisiny ihany koa fa tsy manao politika ny AFIM, fa mifantoka aminโ€™ny fanohanana sy ny fampandrosoana ireo fikambanana eny ifotony.
Ho anโ€™ireo fikambanana maniry hiditra ho mpikambana, anisanโ€™ny mason-tsivana fototra takina ny maha-fikambanana mijoro sy voasoratra ara-dalร na azy. Aminโ€™ny alalanโ€™ny fampiofanana sy ny fanitarana ny tambajotra tahaka izao no kasainโ€™ny AFIM hanamafisana ny fandraisanโ€™ireo fikambanana anjara aminโ€™ny fampandrosoana maharitra ny faritra misy azy.
Nangonin ‘Lay Mahitsy

Related Post

FAMPIELEZAN-KEVITRA ๐€๐Œ๐๐€๐๐ˆ๐‡๐˜ ๐€๐๐ƒ๐‘๐„๐…๐€๐๐€

Posted by - mai 10, 2024 0
๐„๐Ÿ๐š๐ญ๐ซ๐š ๐ข๐ซ๐ž๐จ ๐ฆ๐ฉ๐ข๐ฅ๐š๐ญ๐ฌ๐š๐ค๐š ๐ก๐จ ๐Ÿ๐ข๐๐ข๐ง๐š ๐ก๐จ ๐ฌ๐จ๐ฅ๐จ๐ฆ๐›๐š๐ฏ๐š๐ฆ๐›๐š๐ก๐จ๐š๐ค๐š ๐š๐จ ๐š๐ฆ๐ข๐ง’๐ง๐ฒ ๐ƒ๐ข๐ฌ๐ญ๐ซ๐ข๐ค๐š๐ง’๐ข ๐€๐ฆ๐ฉ๐š๐ง๐ข๐ก๐ฒ ๐š๐ง๐๐ซ๐ž๐Ÿ๐š๐ง๐š ๐ข๐ณ๐š๐ฒ ๐š๐ก๐ข๐ญ๐š๐ง๐š ๐ค๐จ๐ฆ๐ข๐ง๐ข๐ง๐š 19 ๐“๐จ๐ž๐ซ๐š๐ง๐š ๐ซ๐จ๐š ๐ง๐จ ๐ก๐ข๐Ÿ๐š๐ง๐ข๐ง๐š๐ง๐š๐ง๐š,…