SEKOLY TSY MIANKINA « NOTRE ECOLE TSIADANA » | fanampiana ny sahirana sy hetsika ara-java-kanto no namarana ny taona 2023

289 0

Ny Fizarana fanampiana hoan’ny mponina sahirana ety amin’ny faritry ny manodidina ny Sekoly, dia efa fanaon’ny Sekoly Notre Ecole, Tsiadana isan-taona

Ny Alarobia 20 Desambra  2023 lasa teo àry, dia olona sahirana mahatratra 150 isa teo ho eo no nizarana fanampiana, toy ny vary, voamaina, siramamy, sira, ary tsy hadino ihany koa any vatomamy isan-karazany entina hiaraha-mifaly ankatok’izao Fankalazana ny fetin’ny Krismasy taona 2023 izao.

Fantatra fa vokatry ny fanomezana hataon’ireo Mpianatra mandranto fahalalana ato amin’ity sekoly ity no nahatontosana izao fanampiana izao andaniny, fa ankilany kosa tao dia tao ny tan-tsoroka omen’ny Sekoly .

Marihina fa tafiditra ao anatin’ny asa Sosialysahanin’ny Sekoly izany raha ny fanazavana azo.

Fa ny Zoma 22 Desambra 2023 kosa no niaram-paly tetsy amin’ny CONACO EGS ANKATSO, ireo Mpianatra, Mpanabe, Mpandraharaha ato amin’ity Sekoly ity.

Loha-hevitra noraisina tamin’ity hetsika ity dia ny hoe «  NOEL AU TOUR DU MONDE » ka nampiainan’ireo Mpianatra ny fankalazana ny Noely maneran-tany hoan’ireo Ray aman-dreny nanatrika, ary nampisehoan’izy ireo ny fahakingany sy ny fahaizana noratovin’izy ireo, izay nampivalalanina ny mpitazana tokoa

Nandray anjara tamin’ity hetsika ity avokoa ny Mpiantra rehetra eto anivon’ny Sekoly, niantomboka hatrany amin’ny Kilasy ambany indrindra ka hatrany amin’ireo Kilasy Zokiny indrindra izay samy notarihin’ny Mpampiantr’izy ireo avy.

Tiana ny manamarika fa ity Sekoly tsy miankina « Notre Ecole Tsiadana » ity dia anisan’ny Sekoly sangany ety amin’ny faritra manodidina, ary misongadina hatrany amin’ny taham-pahombiazana amin’ireo fanadinam-panjakana.

Ny fianarana no lova tsara indrindra ..

Nangonin’Lay Mahintsy

Related Post

𝐅𝐀𝐍𝐊𝐀𝐋𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐍`𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐊𝐎𝐋𝐘 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀

Posted by - mars 1, 2024 0
𝐅𝐀𝐍𝐊𝐀𝐋𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐍`𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐊𝐎𝐋𝐘 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀- 𝐍𝐈𝐅𝐀𝐍𝐓𝐎𝐊𝐀 𝐓𝐀𝐌𝐈𝐍`𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐊𝐎𝐉𝐀𝐊𝐎𝐉𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐀𝐍𝐈𝐍-𝐓𝐒𝐄𝐊𝐎𝐋𝐘 𝐀𝐑𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐋𝐀𝐍𝐀 𝐕𝐎𝐋𝐘 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐀𝐍𝐊𝐈𝐙𝐘 𝗡𝗬 𝗦𝗘𝗞𝗢𝗟𝗬 𝗠𝗔𝗠𝗣𝗜𝗡𝗚𝗢   Tsy nataon`ny mpitantana ny…