Maevatanàna an-tapon-tanàna: Tonga niaraka tamin’ireo solotenam-pokon’olona nijery an’ilay zaza manana toe-tena varira ny Ray aman-deniny.

21 0
Tsy niandry ela rehefa naharehy ny fahombiazana nataon’ny Zandary nandritra ny sakana ho an’i SANDRATRINIAINA vao dimy taona manana toe-tena varira nisy naka an-keriny, tao amin’ny fokontany Bemarivo atsinanana, kaominina Maevatanàna faharoa, ato anatin’ny faritra Betsiboka ny Ray aman-denin’ny niteraka azy, izay niaraka tamin’ireo solotenam-pokon’olona avy any an-toerana, fa niakatra teto amin’ny renivohitry ny faritra Betsiboka avy hatrany, taorian’ny fandrenesana ny vaovao mari-pototra.
Ny anio hariva teo no namonjy ny zanany teny amin’ny trano fonenan’ny filohan’ny fikambanana varira eto Madagasikara ireto farany no hafaliana narahana ranomaso no hita teny raha nahatazana an’ity Zazalahy kely mamana toe-tena varira ity hatrany.Tonga teny amin’ny biraom-piasan’ny kaomandin’ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandarimariam-pirenena Betsiboka nitondra ny zaza niaraka tamin’Atoa Soja Fulgence filohan’ny fikambanana varira ny Ray aman-denin’ny sy ny solotenam-pokon’olona.
Saingy nangataka tamin’ireto tompon’andrakitra ambony voalaza etsy aloha izy ireo, ny amin’ny hanaovana ny fombafomba any an-tanàna amin’i SANDRATRINIAINA no rahampitso ihany dia efa tafaverina miaraka amin’ny Zandary, raha ny angom-baovao voaray. Nanafatra kosa ny mponina, ho an’ireo izay voatazona sy voasambotra amin’izao raharaha izao mba tsy hafabela amin’izany.
Natolotry ny filohan’ny fikambanana varira eto Madagasikara am-pahibemaso tamin’ireo fianakavian’ilay Zaza vao nisy naka an-keriny ny vola fanomezana nomen’ny Ramatoa ministry ny Fanabeazam-pirenena androany.
Nangonin’i Zandry be Tantely

Related Post