Mahajanga โ Raharaha iray voalaza fa mahakasika ny fanaovana asa ara-pitsaboana tsy ara-dalร na sy fisandohana ho mpitsabo no voalaza fa efa nampahafantarina ireo tompon’andraikitra mahefa ao Mahajanga. Voatonona ao anatin’ireo antontan-kevitraย ny anaran’i Randrianasolo Daniel Savio, izay voalaza fa monina ao Ambihimandamina, Mahajanga.
Araka ny vaovao hita tao anatin’ny antontan-kevitra iray nohamarinina, dia voalaza faย tamin’ny 19 Febroary 2026 no nisy fitarainana iray, izay ny votoatiny dia mifandraika amin’ny fanaovana asa ara-pitsaboana tsy ara-dalร na sy fisandohana ho mpitsabo. Voalaza fa nampitaina tamin’ny Sampana misahana ny Fikarohana Heloka Bevava (Section de Recherches Criminelles โ SRC) ao Mahajanga ihany koa ny raharaha.
Araka io antontan-kevitra io ihany, dia voalaza fa tamin’ny 22 Febroary 2026 no natolotra ny fampanoavana ny raharaha. Izany dia voalaza fa natao mba hahafahan’ireo sampan-draharaha mahefa mandinika sy mandray andraikitra araka ny fomba fiasa ara-pitsarana mihatra hatreto anefa dia gaga ireo lasibatra fa tsisy tohiny ity raharaha ity , ka mangataka ny hanaovana fanadihadiana sy hametrahana mazava ny zava-misy. Voalaza fa misy amin’ireo olona ireo no monina ao amin’ny faritra Ambihimandamina.
Misy ihany koa ny vaovao hafa voaray milaza fa efa misy raharaha na disadisa hafa mifandraika amin’ilay olona voatonona, anisan’izany ny resaka tany sy raharaha ara-pitsarana hafa. Na izany aza, mbola tsy nahazo fanamafisana avy amin’ny loharanom-pitsarana ofisialy ny gazety momba ireo vaovao ireo.
Manoloana ireo fiampangana ireo, dia miantso ireo manam-pahefana ara-pitsarana sy ara-panjakana mahefa ireo olona milaza ho voakasika mba hanao ny fanamarinana sy fanadihadiana lalina, indrindra momba ny maha-ara-dalร na ny fanaovana asa ara-pitsaboana ataon’ilay olona voatonona.
Mbola mipetraka noho izany ireo fanontaniana maro : maninona no tsisy tohiny ilay fitarainana napetraka tamin’ny 19 Febroary 2026 ? Efa voaray sy voasoratra ara-dalร na tao amin’ireo sampan-draharaha mahefa ve ilay raharaha ? Inona no tohiny taorian’ny fanolorana ny raharaha teny amin’ny fampanoavana ? Ary manana ny fahazoan-dalana sy ny fepetra takian’ny lalร na hanaovana asa ara-pitsaboana ve ilay olona voatonona ?
Misokatra amin’ny fanazavana avy amin’i Randrianasolo Daniel Savio, izay voatonona amin’ity raharaha ity, ny gazety, ary vonona handray ny fanazavana avy amin’ireo tompon’andraikitra mahefa ihany koa
โ๏ธ Takola





