๐—”๐—บ๐—ฏ๐—ผ๐—ต๐—ถ๐—บ๐—ฎ๐—ป๐—ด๐—ฎ๐—ธ๐—ฒ๐—น๐˜† : ๐—ก๐—ฎ๐—บ๐—ฒ๐—น๐—ผ๐—บ๐—ฎ-๐—บ๐—ฎ๐˜€๐—ผ ๐˜€๐˜† ๐—ป๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—บ๐—ฎ๐—ณ๐˜† ๐—ป๐˜† ๐—ฟ๐—ถ๐—ป๐—ฑ๐—ฟ๐—ฎ๐—บ๐—ถ๐—ป-๐—ฝ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ป๐˜† ๐—ป๐˜† ๐—ฎ๐—ป๐˜๐—ผ๐—ธ๐—ผ ๐—ง๐—œ๐—  ๐—ฒ๐˜๐—ผ ๐—”๐˜ƒ๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ๐—ฑ๐—ฟ๐—ฎ๐—ป๐—ผ

97 0
Notontosaina androany tao Ambohimangakely ny hetsika fampivondronana sy fameloma-maso ny antoko TIM, hetsika iray natao hanamafisana indray ny firaisankina sy ny fandrindrana eo anivonโ€™ny antoko eto aminโ€™ny distrikanโ€™Avaradrano.
Nitarika ny fotoana ny Birao Politikanโ€™ny antoko notarihinโ€™ny Sekretera Jeneraly, Rina Randriamasinoro, niaraka taminโ€™ny Ambasadaoro teo aloha Jean Pierre ary ny Solombavambahoakanโ€™Avaradrano, Avotraina Andriamosa. Tonga nanotrona sy nandray anjara taminโ€™ny dinika ihany koa ireo Benโ€™ny Tanร na TIM avy aminโ€™ireo kaominina maro eto Avaradrano, isanโ€™izany Ankadikely Ilafy, Anjeva Gara ary Talata Volonondry.
Nifantoka taminโ€™ny famerenana aina ny rafitra eny ifotony sy ny fanamafisana ny fifandraisanโ€™ny mpikambana ny fihaonana. Nambaranโ€™ireo mpitarika fa ilaina ny mampiverina ny hery sy ny firaisankinanโ€™ny antoko aminโ€™izao vanim-potoana politika izao, indrindra manoloana ireo fanamby ara-tsosialy sy ara-politika sedrainโ€™ny firenena.
Nasongadina nandritra ny lahateny fa tsy hijanona aminโ€™ity fihaonana tao Ambohimangakely ity ny hetsika, fa mbola hitohy eny anivonโ€™ny fokontany sy kaominina samihafa manerana anโ€™Avaradrano ny fameloma-maso ny antoko. Tafiditra ao anatinโ€™izany ny fanavaozana ireo rafitra โ€œFokoTIMโ€, ny fampahafantarana ny vina sy ny politikam-pitondranโ€™ny antoko, ary ny fandraisana mpikambana vaovao.
Araka ny fanazavana nomenโ€™ireo tomponโ€™andraikitra, tanjona lehibe ny hampatanjaka ny fototry ny antoko eny ifotony, satria heverina ho antoky ny fahombiazanโ€™ny asa politika sy ny fanomanana ireo dingana politika ho avy izany. Nohamafisina ihany koa fa ilaina ny firaisankina sy ny fiaraha-mientanโ€™ny mpikambana rehetra mba hahafahanโ€™ny antoko mandray anjara mavitrika aminโ€™ny fiainam-pirenena.
Nifarana taminโ€™ny fifanakalozan-kevitra sy fanentanana ireo mpikambana ny fotoana, ka nanehoanโ€™ireo mpitarika ny finiavana hanohy ny asa fanamafisana ny antoko manerana ny distrika.
Nangonin’Lay Mahitsy

Related Post

Antoko Tiako i Madagasikara | Namboly hazo teny Imerinkasinina

Posted by - fรฉvrier 3, 2024 0
๐๐€๐Œ๐๐Ž๐‘๐ˆ๐’๐ˆ๐Š๐€ ๐๐˜ ๐•๐€๐‡๐Ž๐€๐Š๐€ ๐Œ๐€๐‹๐€๐†๐€๐’๐˜ ๐‡๐ˆ๐’๐Ž๐‘๐€๐“๐‘๐€ ๐€๐๐€๐‘๐€๐๐€ ๐€๐Ž ๐€๐๐€๐“๐ˆ๐โ€™๐๐˜ ๐‹๐ˆ๐’๐ˆ๐Œ-๐๐ˆ๐…๐ˆ๐ƒ๐ˆ๐€๐๐€๐๐€ ๐๐˜ ๐…๐ˆ๐‹๐Ž๐‡๐€ ๐“๐„๐Ž ๐€๐‹๐Ž๐‡๐€ ๐Œ๐€๐‘๐‚ ๐‘๐€๐•๐€๐‹๐Ž๐Œ๐€๐๐€๐๐€ Androany, nandritra ny fambolen-kazo, izay…

Mandritsara | Voapetraka amin’ny toerany ny Mpampanoa lalร na vaovao

Posted by - juillet 7, 2024 0
(๐–ต๐—‚๐—‡๐–บ ๐—๐–พ๐—…๐—ˆ ๐—‡๐—ˆ ๐–พ๐—‡๐—๐—‚๐—‡๐—’ ๐—†๐–บ๐—‡๐–บ๐—๐–บ๐—‡๐—๐–พ๐—‹๐–บ๐—„๐–บ ๐—‡๐—’ ๐–บ๐—Œ๐–บ๐—‡๐—’) Miompana am๐—‚n`ny paikady 3 lehibe ny vinam-pitantanan`ny tonia mpampanoa lalร na vaovao eto Mandritsara,…