ANTSIRABE : Nametra-pialana ny Ben’ny Tanàna Dr UNOH

147 0

Nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny fametraham-pialany ny Ben’ny Tanànan’Antsirabe Renivohitra, Dr RASAMIMANANA Honoré Gabriel, fantatra amin’ny anarana hoe Dr UNOH, nandritra ny fotoana fananganan-tsaina notanterahina ny marainan’ny Alatsinainy.

Tao anatin’izany no nilazan’ity lehiben’ny kaominina ity ny fanapahan-keviny hiala amin’ny toerany, ka nahasarika ny sain’ny mpiasan’ny kaominina sy ireo mponina maro ao an-drenivohitr’i Vakinankaratra. Tsy mbola nambara tamin’ny fomba ofisialy anefa hatreto ny antony nanosika izao fametraham-pialana izao.

Taorian’ity fanambarana ity dia maro no miandry ny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana foibe momba ny fanendrena izay ho PDS (Président de Délégation Spéciale) hitantana vonjimaika ny Kaominina Ambonivohitra Antsirabe, mandra-pisian’ny dingana vaovao ara-pitantanana.

Tsiahivina fa isan’ireo tanàna lehibe sy manana lanja ara-toekarena eto Madagasikara i Antsirabe, ka antenaina fa hisy fiantraikany eo amin’ny raharaham-pitantanana sy ny fiainan’ny mponina ao an-toerana ity fiovana tampoka eo anivon’ny kaominina ity.

Nangonin’i Haintso Antsirabe

Related Post

𝗠𝗮𝗻𝗮𝗻-𝗷𝗼 𝗵𝗼 𝗮𝗿𝗼𝘃𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗺𝗽𝗮𝗻𝗮𝗼 𝗴𝗮𝘇𝗲𝘁𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘁𝗮𝗻𝘁𝗲𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗮𝘀𝗮𝗻𝘆.

Posted by - octobre 3, 2023 0
𝗠𝗮𝗻𝗮𝗻-𝗷𝗼 𝗵𝗼 𝗮𝗿𝗼𝘃𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗺𝗽𝗮𝗻𝗮𝗼 𝗴𝗮𝘇𝗲𝘁𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘁𝗮𝗻𝘁𝗲𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗮𝘀𝗮𝗻𝘆. Miantsoroka andraikitra sarotra, mihatra aman’aina ny mpanao gazety, manatanteraka ny…

ANKILIVALO, MAHABO MPANGALAJAZA 3 NO TRATRA KA MATY VOATIFITRA NY ROA

Posted by - décembre 22, 2023 0
𝐀𝐍𝐊𝐈𝐋𝐈𝐕𝐀𝐋𝐎, 𝐌𝐀𝐇𝐀𝐁𝐎 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐆𝐀𝐋𝐀𝐉A𝐙𝐀 𝟑 𝐍𝐎 𝐓𝐑𝐀𝐓𝐑𝐀 𝐊𝐀 𝐌𝐀𝐓𝐘 𝐕𝐎𝐀𝐓𝐈𝐅𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐍𝐘 𝐑𝐎𝐀 — 📌 Nitrangana hala-jaza tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ankilivalo…