๐“๐Ž๐€๐Œ๐€๐’๐ˆ๐๐€ ๐…๐€๐‡๐€๐‘๐Ž๐€ โ€” ๐…๐€๐‡๐€๐“๐’๐ˆ๐€๐‘๐Ž๐•๐€๐๐€ ๐๐˜ ๐Ÿ๐Ÿ— ๐Œ๐€๐‘๐“๐’๐€ ๐Ÿ๐Ÿ—๐Ÿ’๐Ÿ• : ๐…๐€๐๐Š๐€๐‹๐€๐™๐€๐๐€ ๐๐ˆ๐™๐Ž๐“๐‘๐€ ๐€๐Œ-๐๐ˆ๐‹๐€๐Œ๐ˆ๐๐€๐๐€ ๐“๐€๐๐˜ ๐Œ๐€๐‡๐€๐•๐„๐‹๐Ž๐๐€ ๐…๐Ž๐”๐‹๐๐Ž๐ˆ๐๐“๐„

124 0
Mahavelona Foulpointe, 29 Martsa 2026 โ€” Nankalazaina tamim-pilaminana sy amim-pahatsiarovana lalina tao aminโ€™ny Kaominina Mahavelona Foulpointe, renivohitry ny Distrikanโ€™i Toamasina Faharoa, ny tsingerintaona faha-79 nahatsiarovana ny Tolom-panafahana 29 Martsa 1947. Fotoan-dehibe eo aminโ€™ny tantaram-pirenena izay mbola manamarika ny fitiavan-tanindrazana sy ny fahavononanโ€™ireo Malagasy niaro ny fahaleovantenany izany.
Toy ny fanao isan-taona, nanomboka taminโ€™ny fametrahana fehezam-bonikazo teo aminโ€™ny tsangam-batonโ€™ny mahery fo ny lanonana, ho mariky ny fanajana sy ny fankasitrahana ireo razambe nanao sorona ny ainy ho anโ€™ny firenena. Nandray anjara taminโ€™izany ireo tomponโ€™andraiki-panjakana isan-tsokajiny, notarihinโ€™ny Lehibenโ€™ny Distrikanโ€™i Toamasina Faharoa, Ramatoa Randrianarison Jessica Nancy, niaraka taminโ€™ireo manampahefana ara-panjakana sy ara-tafika ary ny solontenanโ€™ny vahoaka.
Nandritra ny lahateniny, nanasongadina ny lanjanโ€™ny fitadidiana ny tantara sy ny andraikitry ny taranaka ankehitriny aminโ€™ny fitohizanโ€™ny fanorenana firenena i Ramatoa Randrianarison Jessica Nancy. Nohamafisiny fa tsy tokony ho fahatsiarovana fotsiny ny 29 Martsa, fa tokony ho antso ho aminโ€™ny firaisankina, ny fitiavan-tanindrazana ary ny fanoloran-tena aminโ€™ny fampandrosoana maharitra.
Ankoatra izay, nisy ihany koa ny hetsika fanampiny nanamarihana ity andro manan-tantara ity, toy ny fotoam-bavaka sy ny fiaraha-mivavaka ho fahatsiarovana ireo lavo, ary koa ny hetsika ara-kolontsaina sy fanentanana natao ho anโ€™ny tanora mba hampitana ny lova ara-tantara sy hanamafisana ny fahatsapana maha-olom-pirenena.
Marihina fa ny 29 Martsa 1947 dia isanโ€™ireo pejy lehibe indrindra aminโ€™ny tantaranโ€™i Madagasikara, fotoana nanehoanโ€™ny Malagasy ny herim-pony sy ny fitiavany tanindrazana teo anatrehanโ€™ny fanjanahantany. Na dia maro aza ny aina nafoy sy ny fahoriana niseho, dia mitoetra ho fototra iorenanโ€™ny fahaleovantenanโ€™ny firenena sy ny maha-izy azy ny lova navelanโ€™ireo mahery fo.
Aminโ€™izao tsingerintaona faha-79 izao, dia mbola mitohy ny adidy sy andraikitry ny taranaka ankehitriny aminโ€™ny fitandroana izany fahaleovantena izany, aminโ€™ny alalanโ€™ny asa sy ny finiavana hanandratra anโ€™i Madagasikara.

Related Post

Fikambanana AFF Boriboritany faha 2 | Nifampiarahaba nahatratra ny taona

Posted by - janvier 28, 2024 0
๐๐ˆ๐…๐€๐Œ๐๐ˆ๐€๐‘๐€๐‡๐€๐๐€ ๐“๐‘๐€๐“๐‘๐˜ ๐๐˜ ๐“๐€๐Ž๐๐€, ๐๐ˆ๐…๐€๐Œ๐๐ˆ๐‘๐€๐‘๐˜ ๐’๐Ž๐€ ๐๐˜ ๐…๐ˆ๐Š๐€๐Œ๐๐€๐๐€๐๐€ ๐€๐๐ƒ๐‘๐˜ ๐’๐˜ ๐…๐Ž๐“๐Ž๐“๐‘๐€ ๐‡๐Ž ๐€๐’๐๐˜ ๐…๐€๐Œ๐๐€๐๐ƒ๐‘๐Ž๐’๐Ž๐€๐๐€ ๐“๐„๐“๐Ž ๐€๐Œ๐ˆ๐โ€™๐๐˜ ๐๐Ž๐‘๐ˆ๐๐Ž๐‘๐ˆ๐“๐€๐๐˜ ๐…๐€๐‡๐€๐‘๐Ž๐€ Ny sabotsy…

๐’๐š๐›๐จ๐ญ๐ฌ๐ฒ ๐๐š๐ฆ๐ž๐ก๐š๐ง๐š | ๐…๐ž๐ฌ๐ญ๐ข๐ฏ๐š๐ฅ ๐๐ž๐ฌ ๐€๐ซ๐ญ๐ฌ ๐Œ๐š๐ซ๐ญ๐š๐ฎ๐ฑ

Posted by - janvier 9, 2024 0
๐’๐š๐›๐จ๐ญ๐ฌ๐ฒ ๐๐š๐ฆ๐ž๐ก๐š๐ง๐š | ๐…๐ž๐ฌ๐ญ๐ข๐ฏ๐š๐ฅ ๐๐ž๐ฌ ๐€๐ซ๐ญ๐ฌ ๐Œ๐š๐ซ๐ญ๐ž๐š๐ฎ๐ฑ — Anisany nanamarika ny famaranana ny taona 2023 lasa teo, teto aminโ€™ny Kaominina…