Fianarantsoa, 14 Mey 2024 β Natomboka taminβny fomba ofisialy androany talata 14 Mey eto Fianarantsoa, Faritra Matsiatra Ambony, ny fanamarihana ny Herinandronβny Fianakaviana Sambatra, hetsika ara-pahasalamana sy sosialy efa fanao isan-taona manerana anβi Madagasikara.
Haharitra hatraminβny zoma 17 Mey 2024 ny hetsika, ary miavaka manokana aminβity andiany ity ny fanokafana ny fankalazana ny faha-50 taona nisianβizany, izay manamafy ny anjara toerana lehibe sahaninβny fianakaviana eo aminβny fiarahamonina sy ny fampandrosoana maharitra.
π Tolotra akaiky ny vahoaka
Ao anatinβity herinandro ity, tolotra ara-pahasalamana marolafy no entina hanakaikezana bebe kokoa ny mponina, ahitana ny fitiliana diabeta, ny fandrindram-piterahana, ny fizahana ara-pahasalamana ankapobeny, ny fitiliana VIH/SIDA, ary ny fanaraha-maso manokana ny fahasalamanβny reny sy ny zaza.
π Fiaraha-mientanβny sehatra maro
Ny fikambanana FISA, miaraka aminβny Ministeranβny Fahasalamam-bahoaka, no mitarika sy mandrindra ny hetsika, iarahana aminβireo tobim-pahasalamana fototra (CSB) manerana ny faritra. Tafiditra ao anatinβny hetsika ihany koa ny fanamafisana ny asa fanaovam-baksiny, ho fiarovana ny fahasalamanβny besinimaro.
π Tanjona mazava
Mikendry ny hanakaiky ny tolotra ara-pahasalamana ho anβny vahoaka, hanatsara ny fahasalamanβny fianakaviana Malagasy, ary hanohana ny politikam-panjakana eo aminβny sehatry ny fahasalamam-bahoaka izao hetsika izao.
Aminβny ankapobeny, manaporofo indray ity hetsika ity fa ny fianakaviana salama sy voaaro no fototra iorenanβny fiarahamonina matanjaka sy mandroso.
βοΈ Nangoninβi Ando R.




