MPOX: Tranga 3 voamarina tao Vakinankaratra nanomboka ny fiandohan’ny volana marsa – efa misy ny vaksiny fanefitra saingy mbola tsy mahasahana ho an’ny daholobe – mitohy ny fepetra fisorohana
Tranga telo no voamarina teto amin’ny faritra Vakinankaratra, izay niparitaka tamina distrika samihafa nanomboka ny fiandohan’ny volana marsa teo, araka ny nambaran’i Dr Rajaonarisoa Tolojanahary, Directeur régional de la santé publique eto Vakinankaratra. Mbola mipetraka hatrany ny fepetra hiarovana amin’ny mety hiparitahan’ity aretina ity, indrindra ho an’ny faritra Vakinankaratra, izay isan’ny toerana be fivezivezena indrindra amin’izao ankatoky ny fety izao.
Araka ny fanazavana hatrany, manodidina ny 90%-n’ny fifindran’ny mpox dia vokatry ny firaisana ara-nofo sy ny fifampikasohana akaiky. Noho ny fisian’ny fety sy ny fivezivezena maro dia mbola ilaina hatrany ny fitandremana, satria mbola tsy levona tanteraka ny valanaretina.
Efa misy ny vaksiny fanefitra miisa 2 400 ho an’ny faritra Vakinankaratra, saingy tsy ampy ho an’ny rehetra izany. Ireo mpiasan’ny fahasalamana miantsehatra mivantana sy ireo olona ao anatin’ny vondrona tena marefo no laharam-pahamehana amin’ny fanaovana vaksiny.
Manentana hatrany ny tompon’andraikitra fa raha vao mahatsapa tsy fahasalamana ny olona dia tokony hanatona tobim-pahasalamana haingana, mba hahafahana mitsabo ara-potoana.




