Toamasina tratehaka ireo nanindrona antsy an’ilay teratany Sinoa

28 0

TOAMASINA : Voasambotry ny Polisy ireo olon-dratsy tompon’antoka tamin’ny fanafihana Magazay sy nanindrona antsy an’ilay teratany Sinoa teo akaikin’ny CJST ny talata lasa teo.

▶ Ny andron’ny talata lasa teo io ihany( fotoana nitrangan’ilay fanafihana) dia nanao fanarahan-dia ny Polisy avy eo amin’ny FIP ka tratra tao Tanamakoa ny iray, teo ihany koa ny fanomezan-tanana nataon’ny Polisy avy ao anivon’ny Commissariat Central ka nahatratrarana ireo namany.

▶ Miisa 5 ireo voasambotra ka vehivavy ny iray, izay tompon’ny moto nampiasain’ireo jiolahy.

▶ Ireo no fantatra nandritran’ny Fampitam-baovao nataon’i Commissaire Divisionnaire Rakotoarijaona FALY ,Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka Atsinanana tamin’ny Mpanao Gazety androany.

▶ Nambarany fa efa nahazo fitsaboana ary efa manomboka mihatsara ny fahasalaman’ilay teratany Sinoa voatsindrona antsy. Nanome toky ihany koa ny tenany fa hanao izay fomba rehetra hampandriana fahalemana an’i Toamasina.

Nangonin’i Claudia Tsitolomy

Related Post