Toamasina tratehaka ireo nanindrona antsy an’ilay teratany Sinoa

338 0

TOAMASINA : Voasambotry ny Polisy ireo olon-dratsy tompon’antoka tamin’ny fanafihana Magazay sy nanindrona antsy an’ilay teratany Sinoa teo akaikin’ny CJST ny talata lasa teo.

▶ Ny andron’ny talata lasa teo io ihany( fotoana nitrangan’ilay fanafihana) dia nanao fanarahan-dia ny Polisy avy eo amin’ny FIP ka tratra tao Tanamakoa ny iray, teo ihany koa ny fanomezan-tanana nataon’ny Polisy avy ao anivon’ny Commissariat Central ka nahatratrarana ireo namany.

▶ Miisa 5 ireo voasambotra ka vehivavy ny iray, izay tompon’ny moto nampiasain’ireo jiolahy.

▶ Ireo no fantatra nandritran’ny Fampitam-baovao nataon’i Commissaire Divisionnaire Rakotoarijaona FALY ,Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka Atsinanana tamin’ny Mpanao Gazety androany.

▶ Nambarany fa efa nahazo fitsaboana ary efa manomboka mihatsara ny fahasalaman’ilay teratany Sinoa voatsindrona antsy. Nanome toky ihany koa ny tenany fa hanao izay fomba rehetra hampandriana fahalemana an’i Toamasina.

Nangonin’i Claudia Tsitolomy

Related Post

Cette opportunité est faite pour vous.

Posted by - juillet 8, 2026 0
𝐎𝐏𝐏𝐎𝐑𝐓𝐔𝐍𝐈𝐓𝐄́ 𝐏𝐑𝐎𝐅𝐄𝐒𝐒𝐈𝐎𝐍𝐍𝐄𝐋𝐋𝐄 𝐀̀ 𝐌𝐀𝐔𝐑𝐈𝐂𝐄 𝐀𝐑𝐈𝐌 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐜𝐚𝐫 𝐫𝐞𝐜𝐫𝐮𝐭𝐞 𝐝𝐞𝐬 𝐏𝐀̂𝐓𝐈𝐒𝐒𝐈𝐄𝐑𝐒 𝐭𝐚𝐥𝐞𝐧𝐭𝐮𝐞𝐮𝐱 𝐞𝐭 𝐩𝐚𝐬𝐬𝐢𝐨𝐧𝐧𝐞́𝐬 —- Vous maîtrisez l’art de la pâtisserie et…