Jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa 200 | nomen’ny lehiben’ny faritra Betsiboka.

15 0
Maevatanána: Nanolotra jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa 200 amin’izao fanomanana ny fankalazana ny fetim-pirenena izao ny lehiben’ny faritra Betsiboka.
👉 Tafiditra ao anatin’ny politikam-panjakanan’ny Fanavaozana ny fijerena ny vahoaka amin’ny tokony hisitrahan’izy ireo fahazavana, amin’ny mety hateraky ny haizina noho ny fahapan-jiro. Izay indrindra no nisian’ny fampifantarana tamin’ny alalan’ny fanolorana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro, tao anatin’ny fefiben’ny lapan’ny faritra Betsiboka ny anio hariva, tokony tamin’ny 05 ora latsaka.
👉 Natao moa ity hetsika ity mba hanatsarana ny fahazavan’ny tanàna, amin’izao fanomanana ny fankalazana ny fetim-pirenena 🇲🇬 izao no hiadiana amin’ny lafin’ny tsy fandriam-pahalemana amin’ny fanararaotana ataon’ireo olon-dratsy ihany koa izany. Tazana nanome voninahitra ny fizarana ny jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro nomen’Atoa TOMBOZARA lehiben’ny faritra Mpisolo toerana, ho an’ny mponina ato anatin’ny kaominina Maevatanàna ambonivohitra, ireo mpiara-miasa eo anivon’ny fiadidian’ny faritra Betsiboka.
👉 Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara ny mampahafantatra, fa hoezahin’Atoa lehiben’ny faritra aty an-toerana, hipaka any amin’ny kaominina rahavavy rehetra mandrafitra ny Betsiboka ny fanomezana fahazavana, raha ny nambarany hatrany teto.
✍️ Zandry be Tantely

Related Post

𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐈 𝐒𝐎𝐀𝐍𝐈𝐄𝐑𝐀𝐍𝐀 -𝐈𝐕𝐎𝐍𝐆𝐎: 𝐓𝐎𝐇𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐍𝐎 𝐓𝐄𝐋𝐎 𝐍𝐀𝐓𝐀𝐎 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐈𝐒𝐀𝐍𝐀 𝐕𝐎𝐍𝐉𝐈𝐌𝐀𝐈𝐊𝐀 𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐃𝐈𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀.

Posted by - février 23, 2024 0
𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐈 𝐒𝐎𝐀𝐍𝐈𝐄𝐑𝐀𝐍𝐀 -𝐈𝐕𝐎𝐍𝐆𝐎: 𝐓𝐎𝐇𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐍𝐎 𝐓𝐄𝐋𝐎 𝐍𝐀𝐓𝐀𝐎 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐈𝐒𝐀𝐍𝐀 𝐕𝐎𝐍𝐉𝐈𝐌𝐀𝐈𝐊𝐀 𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐃𝐈𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀. — Miakatra 150ha ny tanim-bary voatondraka ankehitriny, ny…