π•π¨πšπ¬πšπ³π² 𝟐𝟎 𝐭𝐚𝐨𝐧𝐚 𝐚𝐧-𝐭𝐫𝐚𝐧𝐨𝐦𝐚𝐒𝐳𝐒𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐌𝐞́𝐝𝐞𝐜𝐒𝐧 𝐂𝐨π₯𝐨𝐧𝐞π₯ π‘πšπ€π¨π­π¨π¦πšπ¦π¨π§π£π² 𝐏𝐚𝐭𝐫𝐒𝐜𝐀

80 0
Antananarivo, 3 Jolay 2025 – Navoaka omaly ny didim-pitsarana manameloka an’i Rakotomamonjy Patrick, kolonely sady mpitsabo (MΓ©decin Colonel) teo anivon’ny tafika, noho ny heloka bevava mahakasika fandriampahalemana sy fiarovana ny ain’olona.
Araka ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana manokana miady amin’ny kolikoly (PAC), sazy 20 taona an-tranomaizina no nampiharina amin’ity manamboninahitra ambony ity, izay nitsoaka any ivelany amin’izao fotoana izao.
πŸ“Œ Antony nampangaina azy:
Fandrahonana ho faty
Fanohintohina ny filaminam-bahoaka
Fanalambaraka imasom-bahoaka
Ankoatra izany, olona iray hafa voalaza fa mpiray tsikombakomba tamin’ity kolonely ity ihany koa dia voasazy 10 taona an-tranomaizina.
Araka ny fanazavana azo, miisa roa ireo olona nosazian’ny Fitsarana tamin’ity raharaha ity, izay niakatra sy notsaraina teny amin’ny PAC (PΓ΄le Anti-Corruption).
Ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana dia maneho indray ny finiavan’ny rafitra ara-pitsarana hiady amin’ny heloka bevava atao na dia avy amin’ny olona ambony aza.
✍️ Bevômaso

 

Related Post

Nahazo Solosaina ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Ambositra.

Posted by - mai 26, 2024 0
π…π€ππŽπ‹πŽπ‘π€ππ€ π’πŽπ‹πŽπ’π€πˆππ€ π‡πŽ 𝐀𝐍’𝐍𝐘 πŒπˆππˆπ’π“π„π‘π€ π…πŽπˆππ„ π’π˜ 𝐍𝐘 π…πˆπ“π’π€π‘π€ππ€ π€πŒππ€π‘π€π“πŽππ†π€ π•πŽπ€π‹πŽπ‡π€ππ˜ π€πŽ π€πŒππŽπ’πˆπ“π‘π€ Zoma 24 mey 2024, ao anatin’ny ezaka…

Fankalazana ny Iray volan’ny Ankizy : Zo fototra ny fanana Kopia

Posted by - juin 10, 2024 0
π—™π—”π—‘π—žπ—”π—Ÿπ—”π—­π—”π—‘π—” 𝗑𝗬 π—œπ—₯𝗔𝗬 π—©π—’π—Ÿπ—”π—‘’𝗑𝗬 π—”π—‘π—žπ—œπ—­π—¬: 𝗭𝗒 𝗙𝗒𝗧𝗒𝗧π—₯𝗔 𝗑𝗬 𝗙𝗔𝗑𝗔𝗑𝗔𝗑𝗔 π—žπ—’π—£π—œπ—”. Ho fanokafan’ny Ministeran’ny Fitsarana ny fankalazana ny iray volan’ny ankizy…

π‹π€ππŽππ€ππ€ π…π€ππŽπŠπ€π…π€ππ€ 𝐍𝐘 Β«Β π“π„π“πˆπŠπ€π’π€ π“π’πˆπŒππˆππ€Β Β»

Posted by - aoΓ»t 10, 2024 0
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, anio 09 aogositra 2024, tetsy amin’ny « Gymnase Couvert MahamasinaΒ Β», ny Tetikasa Tsimbina izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry…