๐— ๐—”๐—ก๐——๐—ฅ๐—œ๐—ง๐—ฆ๐—”๐—ฅ๐—” – ๐—ก๐—”๐—›๐—”๐—ญ๐—ข ๐—™๐—”๐—ก๐—ž๐—”๐—ง๐—ข๐—”๐—ฉ๐—”๐—ก๐—” ๐—”๐—ฉ๐—ฌ ๐—”๐— ๐—œ๐—ก`๐—ก๐—ฌ ๐—™๐—”๐—ก๐—๐—”๐—ž๐—”๐—ก๐—” ๐—ก๐—ฌ ๐—œ๐—ฉ๐—ข๐—ก-๐—ง๐—ข๐—˜๐—ฅ๐—”๐— -๐—ฃ๐—œ๐—ง๐—ฆ๐—”๐—•๐—ข๐—”๐—ก๐—” ๐— ๐—”๐—ก๐—จ๐—”

589 0
โœฆMisokatra ara-panjakana eto Mandritsara ny Centre Mรฉdical Manua, satria mametraka ny 3P (Partenariat Public Privรฉe) ny Minisiteran`ny Fahasalambahoaka. Nanambara Nuptia Ranjakamialina, tompon`andraikitra voalohany amin`ny toeram-pitsaboana ity fa miha mitombo ny mponina ka betsaka koa ny filana eo amin`ny fisitrahana tolotra ara-pahasalamana. Ny vahoaka anatin`ny distrikan`i Mandritsara rahateo dia tia manatona toeram-pitsaboana.
Ankilan`izany, ho fanomezana asa ireo tanora nahavita fianarana momba fitsaboana, eo koa ny fampiofanana arak`asa ho an`ny tanora. Ny hopitaly rahateo manana sekoly mpanofana Rasazy sy Infirmiรจre. Mandray an-tanana sady am-pitiavana izay tonga ao aminy ny Centre mรฉdical Manua. Hiezaka hanatsara ny tolotra ao anatiny ny toeram-pitsaboana eo amin`ny sehatry ny fahasalamana izay. Tontosa androany zoma 21 febroary 2025, ny fanokafana ofisiany Centre Mรฉdical najoro ao Mandritsara vaovao. Nisy ny fanaovana tso-drano ny ivon-toerana. Tonga nanatrika izany ny solontenam-panjakana maro misy ao Madritsara.
Araka ny fahazoan-dalana avy amin`ny fanjakana afaka misehatra mikarakara ny rehetra momba ny Mรฉdecine, fampiterahana, fanaovana vaksiny, รฉchographie, fizahana marary, soin mรฉdical, petite chirurgie, Torohevitra ara-pahasalamana.

Related Post

๐€๐ƒ๐˜ ๐€๐Œ๐ˆ๐โ€™๐๐˜ ๐“๐€๐˜ ๐Œ๐ˆ๐๐€๐‘๐ˆ๐“๐€๐Š๐€

Posted by - juin 1, 2025 0
๐—ž๐—ฎ๐—ผ๐—บ๐—ถ๐—ป๐—ถ๐—ป๐—ฎ ๐—ฟ๐—ผ๐—ฎ ๐—ป๐—ผ ๐—ป๐—ฎ๐—ต๐—ฎ๐˜‡๐—ผ ๐—บ๐—ฎ๐—ฟ๐—ถ๐—บ-๐—ฝ๐—ฎ๐—ธ๐—ฎ๐˜€๐—ถ๐˜๐—ฟ๐—ฎ๐—ต๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ฎ๐˜๐—ผ ๐—ฎ๐—บ๐—ถ๐—ปโ€™๐—ป๐˜† ๐—ฑ๐—ถ๐˜€๐˜๐—ฟ๐—ถ๐—ธ๐—ฎ๐—ปโ€™๐—ป๐˜† ๐— ๐—ผ๐—ฟ๐—ผ๐—ป๐—ฑ๐—ฎ๐˜ƒ๐—ฎ Notanterahina tao aminโ€™ny kaominina ambaniohitry Befasy ny sabotsy faha 31 Mai…