๐ƒ๐‘๐„๐ ๐Œ๐„๐๐€๐๐„ ๐Ÿ•,๐Ÿ—๐ŸŽ% ๐€๐Œ๐ˆ๐’๐ˆ๐‘๐„๐Ž ๐Œ๐๐€๐Œ๐๐ˆ๐€๐๐€๐“๐‘๐€ ๐€๐“๐Ž ๐Œ๐„๐๐€๐๐„ ๐ˆ๐‡๐€๐๐˜ ๐๐Ž ๐Œ๐๐ˆ๐€๐’๐€๐Œ-๐๐€๐๐‰๐€๐Š๐€๐๐€

42 0

Nanantanteraka fiarabana tratrinโ€™ny taona ny fitaleovam-paritry ny fanabeazam-pirenena ato Menabe niaraka taminโ€™ny farimpiadidiam-pampianarana Morondava ka nandritra izany no nitondranโ€™ny talem-paritra mpisolo toerana ny tatitrโ€™ireo asa vita nandritranโ€™ny taona 2024 lasa iny ka fantatra taminโ€™izany fa mpampianatra sy mpandraraha eo aninโ€™y fampianarana ato Menabe miisa 3844 no nisitraka fampihofanana ary dabilio 120 no nozaraiana ho anโ€™ny fanabezana fototra tato Menabe taminโ€™iny taona 2024 iny .

Miisa 4073 moa ny mpampianatra rehetra ato Menabe ka ny 322 ihany no mpiasam-panjakana izany hoe ny 7,90 anโ€™ireo mpampianatra rehetra ato Menabe raha miisa 1442 kosa efa nahazo fifanaraham-piarahamiasa (contractuel) ary 2 309 dia mpampianatra FRAM avokoa izany hoe 56 ,69 isan-jatonโ€™ireo mpampianatra ato Menabe ; nambaranโ€™ny talemparitra mpisolo toerana nandritrinโ€™ny tatitry tatitra nataony ihany koa fa ny 80,95 isan-jatonโ€™ireo mpampianatara ato Menabe dia eny aminโ€™ny tontolo amabanivohitra .

Na dia eo aza izany dia manao ezaka lehibe ny minisiteranโ€™ny fanabeazam-pirenena ho anโ€™ny faritra Menabe aminโ€™ny alalanโ€™ny fitaleovam-paritra aminโ€™ny fampivoarana ny fampianarana ato Menabe satria ny tarigetranโ€™izy ireo dia ilay teninโ€™ny Nelson Mandela hoe ยซ Ny fahalalana dia fitaovam-piadiana mahery vaika manova izao tontolo izao ยป ka mba hanatan-terahana izany dia maro ireo sekoly naorina satria dia miisa 54 izany taminโ€™iny taona 2024 iny izay nataonโ€™ny minisitera sy ireo mpiara-miombonantoka aminy eo koa ireo sekoly manarampenitra izay miisa 14 efa an-dalampahavitana saingy misy olana avokoa ka anatinโ€™ny mitady vahaolana tanteraka ny fitaleovam-paritra sy ny minisitera aminโ€™izao ny mba hanafangainana ny famitana ireo sekoly manarampenitra ireo .

Etsy ankilany dia entitra aminโ€™ny ady aminโ€™ny kolikoly ny fitaleovam-paritry ny fampianarana fototra ato Menabe ka hamafisina ny fanaraha-maso sy fampihofanana ny FEFFI mba hanatsarana hatrany kalitaonโ€™ny fanabeazam-pirenena ato Menabe sy hampiakarana ny vokatra tsara satria ny taona 2024 dia 80,73% anโ€™ireo mpiadina nanala ny fanadinam-panjakana CEPE no afaka raha 78,99 % kosa ny ho anโ€™ny mpiadina BEPC.

 

Nangononโ€™i RA PA

Related Post

๐“๐ž๐ญ๐ข๐ค๐š๐ฌ๐š ยซย ๐ฆ๐ฉ๐ข๐š๐ง๐š๐ญ๐ซ๐š ๐ข๐ซ๐š๐ฒ ๐ก๐š๐ณ๐จ ๐ข๐ซ๐š๐ฒย ยป

Posted by - fรฉvrier 28, 2024 0
Natomboka tao amin’ny EPP Tsimavaobe ao Morondava androany ny fambolen-kazo ao anatinโ€™ny tetikasa โ€œ๐—จ๐—ป รฉ๐—นรจ๐˜ƒ๐—ฒ, ๐—จ๐—ป ๐—ฎ๐—ฟ๐—ฏ๐—ฟ๐—ฒโ€ izay nanentananโ€™IOโ€™RENALA ny…