Tombony ho an`ny Ceg Tsaravony Marie Jeanne ny fahazoana ny fampitaovana avy amin`ny Orange Madagascar. Manampy sy manamora eo amin`ny fampianarana ny fampiasana ny fitaovana nomerika. Nisitraka tablette 25, solosaina Acer 1, fahana internet, smart projecteur avy tamin`ny Solidaritรฉ Madagascar sahanan`ny Orange sekolim-panjakana ao Mandritsara ity.
Natolotra ofisialy ho an`ny CEG TMJ androany zoma 13 desambra 2024, fampitaovana ireto, natrehan`by Solombavambahoaka Beby Olivier Rasolomanana sy solontenam-panjakana maro hafa eto an-toerana.