π“πŽππ†π€ ππˆπ“π’πˆπƒπˆπŠπ€ 𝐍𝐘 π…π€π‘πˆπ“π‘π€ πŒπ„ππ€ππ„ 𝐍𝐘 πŒπˆππˆπ’πˆπ“π‘π˜ 𝐍𝐘 π…πˆπ™π€π‡π€π-π“π€ππ˜ π’π˜ 𝐍𝐘 𝐀𝐒𝐀 𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀

56 0

Ny alakamisy faha 3 ny volana Octobre no nigadona teto Menabe Ny Minisitry ny Fizahantany sy ny Asa tΓ nana, Ramatoa Viviane DEWA nijery ifotony ireo tolotra ara-pizahan-tany sy vokatry ny Asa tΓ nana tato Menabe mba afahana mijery ireo fomba entina ampiroborobohana ny resaka fizahan-tany sy Asa tΓ nana aty amin’ny faritra Menabe ka tonga nitsena azy tamin’izany ireo solontenam-panjakana ato Menabe izay notarihin’ny Prefet an’ny Morondava sy ny talem-paritry ny fizahan-tany sy ny Asa tΓ nana ato Menabe notronon’ireo mpisehatra eo amin’ny fizahan-tany sy ireo mpanao Asa tΓ nana .

Ny fitsidihana ny allΓ© de baobab sy fambolena baobab moa no nanombohany ny fitsidihana ary nitohyΒ  tao Bekopaka nijerena ireo Tsingin’ny Bemaraha izay isan’ny avokavoky ny fizahan-tany ato Menabe .

Nitohy teto Morondava tamin’ny fihaonana tamin’ireo mpandraharaha amin’ny fizahan-tany sy ireo mpanao Asa tΓ nana moa ny fotoana androany alahady faha enina ny volana octobre tao amin’ny centre Eco-tourisme MenabeΒ  moa ny fitsidihana izay nataony taty Menabe ka nivoitra tamin’izany fa ho jerena manaokana ireo manao ezaka amin’ny fampiroboroboana ny fizahan-tany sy ny Asa tΓ nana tanana ato Menabe Β ary nanome torimarika ireo mpisehatra rehetra eo amin’ny lafiny fizahan-tany sy Asa tΓ nana ato Menabe ny minisitra ka nambarany mazava fa tsy misy afa-tsy ny firaisankina sy fiaraha-mientana ny fampiroborobohana ny Asa tΓ nana sy fizahan-tany , betsaka ireo ezaka efa iarahan-ireo mpandraharahasy ny fanjakana manatanteraka fa fanamafisana sisa no atao hoy hatrany ramatoa minisitra ary hiezaka izy ny hitady lalam-barotra sy mpiara-miombonantoka amin-ireo mpanao asa tanana ato MenabeΒ .

Nilaza moa ny talemparitry ny fizahan-tany sy ny Asa tΓ nana tanana ato Menabe fa hotohizana amin’ny andro maneran-tany amin’ny fizahan-tany ny fifam-pidinihana amin’ireo mpisehatra rehetra mba ho hanamafisana ireo hafatra sy vina nampetraky ramatoa minisitra .

Isany olana zakain’ireo mpandraharaha eo amin’ny resaka fisahn-tany sy ny Asa tΓ nana moa ny dΓ©lestage saingy ny nahagaga dia tsy voaresaka mintsy nandritran-ny fihaonana ary tsy nisy sahy nilaza koa ireo mpanatrika , raha efa milamina tanteraka kosa ny fitandroana ny filaminana izay nisaoran-dramatoa minisitra sy ireo mpisehatra rehetra ny tompon’andraikitry ny filamianana izay tarihin’ny OMC ato Menabe

NangononΒ β€˜i RA PA

Related Post