RAHARAHA HERISETRA NATAON`NY MPITONDRA FIANGONANA BIBLIKA MANDRITSARA TEO ALOHA – MANANTENA NY HISIAN`NY MANGARAHARA NY LASIBATRA

26 0
✦ Nahao taratasy fiantsoana avy amin`ny fitsarana (Cour d`appel) any Mahajanga ny fianakaviana lasibatra herisetra ara-nofo nataon`ny mpitondra fiangonana batista Mandritsara teo aloha izay efa nidoboka amponja. Nisy anefa ny fampakarana ka hatao ny 01 oktobra ny fitsarana rehefa nataon`ny andaniny ny fampakarana ny didy.
Maniry ny hisian`ny fangaraharana amin`ny fitsarana ny mpitory. Miahiahy izy ireo satria tokony ho tamin`ny 3 septambra teo ny fitsara fa tsy nahazo fanasana ny niharan`ny herisatra. Manantena ny hitsarana amin`ny ara-drariny ireto farany.
Tsiahivina fa vehivavy maromaro no lasibatra herisetra nataona mpitandrina ity ka nametraka fitoriana tamin`ny TPI Mandritsara tamin`ny taona 2023. Sazy mihatra 5 taona antrano maizina no azony tamin`izany ka izao nampakarina amin`ny ambaratongam-pitsara ambony izao.
Nangonin’i Uni Raz
Sary fanehoana

Related Post