๐“๐Ž๐€๐Œ๐€๐’๐ˆ๐๐€ : ๐•๐Ž๐‘๐˜ ๐Œ๐€๐‘๐Ž ๐ˆ๐‘๐„๐Ž ๐Œ๐๐ˆ๐๐Ž ๐’๐ˆ๐‹๐€๐Œ๐Ž ๐๐€๐๐€๐Œ๐€๐‘๐ˆ๐Š๐€ ๐๐˜ โ€œ๐„๐ˆ๐ƒ ๐€๐‹-๐€๐ƒ๐‡๐€โ€ ๐“๐€๐Ž ๐€๐Œ๐ˆ๐โ€™๐๐˜ ๐†๐˜๐Œ๐๐€๐’๐„ ๐€๐‘๐„๐๐€

131 0
Nanamarika ny iray aminโ€™ireo fety lehibe eo aminโ€™ny finoana silamo ny mpino silamo tao Toamasina taminโ€™ny alalanโ€™ny fotoam-bavaka niarahanโ€™izy ireo nanao tao aminโ€™ny Gymnase Arena. Vory maro ireo mpino tonga nanatanteraka izany tao anatinโ€™ny filaminana sy firaisankina.
Nisy ny fihaonambe ara-pivavahana sy fotoam-bavaka lehibe notanterahinโ€™ireo mpino silamo tao Toamasina ho fanamarihana ny โ€œEid Al-Adhaโ€, iray aminโ€™ireo fety manan-danja indrindra eo aminโ€™ny finoana silamo.
Tao aminโ€™ny Gymnase Arena no nanatanterahana ny fotoam-bavaka, izay nahitana mpino maro tonga niray fo sy niray saina taminโ€™ny fanamarihana ity andro masina ity. Hita nandritra ny fotoana ny firaisankina sy ny fifanajana teo aminโ€™ireo mpandray anjara.
Araka ny lovantsofina sy ny finoana silamo, ny โ€œEid Al-Adhaโ€ dia fety maneho fanoloran-tena, finoana ary fifampizarร na eo anivonโ€™ny fiarahamonina. Fotoana iray ihany koa hanamafisana ny firaisan-kina sy ny fihavanana eo aminโ€™ny samy mpino.
Tontosa tao anatinโ€™ny filaminana sy ny fandaminana ny hetsika, niaraka taminโ€™ny fanentanana ny aminโ€™ny fifandeferana sy ny fiaraha-monina mirindra.
๐Ÿ“ Toamasina
โœ๏ธ Nangoninโ€™i Claudia Tsitolomy Tena Izy

Related Post

๐…๐ˆ๐€๐๐†๐Ž๐๐€๐๐€ ๐€๐ƒ๐•๐€๐๐“๐ˆ๐’๐“๐€ ๐Œ๐ˆ๐“๐€๐๐ƒ๐‘๐ˆ๐๐€ ๐๐˜ ๐€๐๐ƒ๐‘๐Ž ๐…๐€๐‡๐€๐…๐ˆ๐“๐Ž | โ€Ž๐‘ป๐‘ถ๐‘ต๐‘ป๐‘ถ๐‘บ๐‘จ ๐‘ต๐’€ ๐‘ญ๐‘จ๐‘ต๐‘ถ๐‘ด๐‘ท๐‘ถ๐‘จ๐‘ด-๐‘ท๐‘ฐ๐‘ฝ๐‘จ๐‘ฝ๐‘จ๐‘ฏ๐‘จ๐‘ต๐‘จ ๐‘ฐ๐‘ฝ๐‘ถ๐‘ต’๐‘ต๐’€ ๐‘ญ๐‘จ๐‘ต๐‘ฒ๐‘จ๐‘ณ๐‘จ๐’๐‘จ๐‘ต๐‘จ ๐‘ต๐’€ ๐‘ญ๐‘จ๐‘ฏ๐‘จ 30 ๐‘ป๐‘จ๐‘ถ๐‘ต๐‘จ

Posted by - novembre 15, 2025 0
๐…๐ˆ๐€๐๐†๐Ž๐๐€๐๐€ ๐€๐ƒ๐•๐€๐๐“๐ˆ๐’๐“๐€ ๐Œ๐ˆ๐“๐€๐๐ƒ๐‘๐ˆ๐๐€ ๐๐˜ ๐€๐๐ƒ๐‘๐Ž ๐…๐€๐‡๐€๐…๐ˆ๐“๐Ž | ๐’๐€๐Œ๐๐€๐๐€ ๐Œ๐ˆ๐€๐ƒ๐ˆ๐ƒ๐˜ ๐๐˜ ๐•๐„๐‡๐ˆ๐•๐€๐•๐˜ ๐’๐˜ ๐๐˜ ๐€๐๐Š๐ˆ๐™๐˜ โ€Ž๐…๐š๐ซ๐ข๐ญ๐ซ๐š ๐€๐ฆ๐จ๐ซ๐จ๐ง’๐ข ๐Œ๐š๐ง๐ข๐š โ€Ž โ€Ž๐‘ป๐‘ถ๐‘ต๐‘ป๐‘ถ๐‘บ๐‘จ ๐‘ต๐’€…