MITAKY HAMPAKARANA KARAMA NY MPAMPIANATRA FRAM AO AMIN`NY CEG TSARAVONY MARIE JEANNE MANDRITSARA

487 0
Efa ela no tsy nisy fampakarana ny karaman`ireo mpampianatra FRAM ao amin`ny CEG Tsaravony Marie Jeanne CISCO Mandritsara. Nanatanteraka fivoriam-be niarahana tamin`ny Ray amandrenin`ny mpianatra ny FRAM amin`ny sekoly ity androany zoma 27 septambra, nandinika ny fomba anatanterahana ny fampandehanan-draharaha anatiny. Nivoaka ny efi-trano fivoariana ny mpampianatra rehetra rehefa tsy afapo tamin`ny karama nifampiresahana. Efa nanao fangatahana tamin`ny filohan`ny Fikambanan`ny Ray amanadrenin`ny Mpianatra ireo Mpampianatra ny hanondrotana izany ary nanambara ny fahavononana hanefa adidy ny Ray amandreny. Ny fananganana trano fivoahana no laharam-pahamehana ao amin`ny sekoly amin`izao raha ny nambaran`ny filohan`ny Farimbon`ezaka ho fahombiazana sy fanabezana eny ifotony, Randrianatrehina. Ela vao tonga ampelatanan`ny FEFFI ny vola tohana avy amin`ny fanjakana ka tsy maintsy ampiasana ny vola avy amin`ny Ray amandrenin`ny mpianatra hoy izy hatrany. Ireto mpampianatra FRAM ankilany mitaraina fa miha mamely ny vidim-piainana amin`izao.
Tsy afapo amin`ny fampakarana tapaky ny biraon`ny FRAM ireo mpampianatra 9 mianadahy voakasika ka hitsahatra tsy hampianatra aloha. Manohana fitakiana ataon`izy ireo ny mpampianatra maro efa mpiasam-panjakana. Izy ireto izay mametraka ahiahiny mahakasika ny tsy fangaraharahn`ny fitantantana ataon`ny biraon`ny FRAM.
Mila mifanatona mandamin-dresaka araky ny fifanarahana natao ny FRAM sy ny mpampianatra karamain`izy ireo hoy ny lehiben`ny Fari-piadidiam-pampianarana Mandritsara, Indriantsiferana Radisson Zaralahy, raha naneho hevitra momba toe-draharaha ity rehefa nantsoin`ny mpanao gazetinay. Tsy misy idiran`ny CISCO ny raharahan`ny FRAM raha ny nambarany hatrany.
Nangonin`i Claudio

Related Post

Fรฉdรฉration Malagasy de Kung-Fu Wisa

Posted by - dรฉcembre 17, 2023 0
๐…๐žฬ๐๐žฬ๐ซ๐š๐ญ๐ข๐จ๐ง ๐Œ๐š๐ฅ๐š๐ ๐š๐ฌ๐ฒ ๐๐ž ๐Š๐ฎ๐ง๐ -๐…๐ฎ ๐–๐ข๐ฌ๐š — 15 dรฉcembre 2023 Tontosa ny: FIVORIAMBE ARA-POTOANA FIVORIAMBE TSY ARA-POTOANA Nanomboka tamin’ny 09h00 maraina…

๐“๐ž๐ญ๐ข๐ค๐š๐ฌ๐š ยซย ๐ฆ๐ฉ๐ข๐š๐ง๐š๐ญ๐ซ๐š ๐ข๐ซ๐š๐ฒ ๐ก๐š๐ณ๐จ ๐ข๐ซ๐š๐ฒย ยป

Posted by - fรฉvrier 28, 2024 0
Natomboka tao amin’ny EPP Tsimavaobe ao Morondava androany ny fambolen-kazo ao anatinโ€™ny tetikasa โ€œ๐—จ๐—ป รฉ๐—นรจ๐˜ƒ๐—ฒ, ๐—จ๐—ป ๐—ฎ๐—ฟ๐—ฏ๐—ฟ๐—ฒโ€ izay nanentananโ€™IOโ€™RENALA ny…

Asa sosialy sahaninโ€™ny Fikambanana AFF

Posted by - fรฉvrier 4, 2024 0
๐…๐ˆ๐Š๐€๐Œ๐๐€๐๐€๐๐€ ๐€๐๐ƒ๐‘๐˜ ๐’๐˜ ๐…๐Ž๐“๐Ž๐“๐‘๐€ ๐‡๐Ž ๐€๐’๐๐˜ ๐…๐€๐Œ๐๐€๐๐ƒ๐‘๐Ž๐’๐Ž๐€๐๐€ ๐„๐“๐Ž ๐€๐Œ๐ˆ๐โ€™๐๐˜ ๐๐Ž๐‘๐ˆ๐๐Ž๐‘๐ˆ๐“๐€๐๐˜ ๐…๐€๐‡๐€๐Ÿ ๐’๐˜ ๐๐˜ ๐Œ๐ˆ๐๐ˆ๐’๐“๐„๐‘๐€๐โ€™๐๐˜ ๐…๐€๐‡๐€๐’๐€๐‹๐€๐Œ-๐๐€๐‡๐Ž๐€๐Š๐€ Tafiditra ao anatinโ€™ny Asa sosialy…