ANTSIRANANA : HETSIKA FANDIDIANA MAIMAIMPOANA HO AN’NY OLONA SIMA NA VAKY LAGNILAGNY, NA VAKY SOGNY.

245 0

Araka ny Fanambarana izay nataon’ny Talen’ny Hopitaly Manarapenitra Antsiranana Dokotera ANDRIANIAINA Dells, dia hisy ny fandidiana maimaimpoana ho an’ny olona Sima na vaky Lagnilagny atao ao amin’ny CHU Tanambao Antsiranana ny faha 26 Aogositra 2024 ho avy izao.

Ny Fisoratana anarana dia manomboka amin’ny Alatsinainy faha 12 Aogositra 2024 ho avy izao etsy amin’ny CHU Tanambao na Hopitaly Manarapenitra, na koa miantso ny laharan’ireto tomponandraikitra ireto: 0324651247 na 0324059483.

Afaka mandray olona avy any amin’ny Faritra hafa ihany koa izy ireo raha toa ka tena ilaina izany araka ny fanazavana voaray tamin’ny tomponandraikitra ato amin’ny CHU Tanambao.

Tsara ny manamarika fa honerana na rembourser ny saran- dalan’ireo marary avy lavitra raha toa ka manana ilay ticket manamarina fa tena « passager  » ilay marary avy lavitra.

Fanafody maimaim- poana ihany koa no azo mandritra io hetsika io ary maimaimpoana ihany koa ny traitement aorian’ny fandidiana.

Marihina fa Fiaraha-miasan’ny Médecin du Monde sy ny Ministeran’ny Fahasalamam- bahoaka miaraka amin’ny fitondram- panjakana Malagasy no ahafahana manatanteraka ity hetsika ara- pahasalamana ity.

✍️ Sela Fanambarana.

Related Post

𝐅𝐈𝐇𝐀𝐍𝐀𝐇𝐀𝐍`𝐍𝐘 𝐕𝐈𝐇/𝐒𝐈𝐃𝐀 𝐄𝐓𝐎 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀

Posted by - février 20, 2024 0
𝐅𝐈𝐇𝐀𝐍𝐀𝐇𝐀𝐍`𝐍𝐘 𝐕𝐈𝐇/𝐒𝐈𝐃𝐀 𝐄𝐓𝐎 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀 – 𝐍𝐢𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐚𝐭𝐫𝐢𝐤𝐚𝐬𝐚 𝐧𝐚𝐧𝐚𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐨𝐦𝐛𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐞𝐥𝐚𝐛𝐞𝐥𝐚𝐫𝐚𝐧~𝐤𝐞𝐯𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐦𝐨𝐦𝐛𝐚 𝐧𝐲 𝐚𝐝𝐲 𝐚𝐭𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧`𝐧𝐲 𝐚𝐫𝐞𝐭𝐢-𝐦𝐢𝐟𝐢𝐧𝐝𝐫𝐚 𝐢𝐭𝐲  …

𝐓𝐎𝐋𝐎𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐑𝐀-𝐏𝐀𝐇𝐀𝐒𝐀𝐋𝐀𝐌𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐀𝐍𝐀𝐓𝐎𝐍𝐀 𝐕𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀 « 𝐏𝐑𝐎𝐉𝐄𝐓 𝐃𝐑𝐎𝐍𝐄”

Posted by - mars 16, 2024 0
𝐓𝐎𝐋𝐎𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐑𝐀-𝐏𝐀𝐇𝐀𝐒𝐀𝐋𝐀𝐌𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐀𝐍𝐀𝐓𝐎𝐍𝐀 𝐕𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀 « 𝐏𝐑𝐎𝐉𝐄𝐓 𝐃𝐑𝐎𝐍𝐄” 𝐅𝐀𝐌𝐀𝐓𝐒𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐅𝐎𝐃𝐘 𝐍𝐘 𝐓𝐎𝐁𝐈𝐌-𝐏𝐀𝐇𝐀𝐒𝐀𝐋𝐀𝐌𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐀𝐑𝐎-𝐃𝐀𝐋𝐀𝐍𝐀 ———————————- Faritra sy District saro- dalana maro no misitraka…