RAHARAHA MOMBA NY CHU TANAMBAO ANTSIRANANA : NAMPIANTSO NY MPANAO GAZETY NY TOMPONANDRAIKITRA, NITONDRA FANAZAVANA

45 0
RAHARAHA MOMBA NY CHU TANAMBAO ANTSIRANANA : NAMPIANTSO NY MPANAO GAZETY NY TOMPONANDRAIKITRA, NITONDRA FANAZAVANA.
Manoloana ny raharaha momba ny Hôpital Manarapenitra na CHU TANAMBAO Antsiranana izay niparitaka tato amin’ny tambazotra sosialy mahakasika ny tsy fandraisan’ireo mpitsabo ato amin’ny CHU Tanambao antanana an’ilay tovolahy 27 taona izay voatomboka antsy , tonga tato amin’ity hôpital ity, ny omaly Talata 06 Aogosotra 2024, dia nampiantso ny mpanao gazety ny Talen’ity Hopitaly ity mba hitondra Fanazavana manoloana iny Tranga iny.
Nambaran’ireo tomponandraikitra ato amin’ity CHU Tanambao ity fa tsy marina ny filazana fa tsy niraharaha ilay marary izy ireo fa ny tsy fanaran’ireo mpitondra marary ny lamina na ny procédure no nahafaty ilay tovolahy.
Raha ny fanazavan’ireo tomponandraikitra hatrany dia efa nisy kits d’Urgence natao tamin’ilay narary , nefa rehefa natao ny Bilan d’opératoire dia hita fa tsy maintsy atao fandidiana ( opération) ilay tovolahy noho ny ratra be nahazo azy ary hita tamin’ny Bilan opératoire fa nisy vy nipetaka teo amin’ny « poumon  » an’ilay narary ka tsy maintsy alefa any amin’ny Hopitaly Be satria any amin’ny Hopitaly Be no misy Fitaovana ilaina amin’ny fitsaboana.
Noho izany, dia nanome « lettre de décharge » an’ilay mpitondra marary ilay mpitsabo tao amin’ salle d’urgence mba hanamora ny fandehanan’izy ireo any amin’ny Hopitaly Be.
Tsy nanaiky anefa ilay mpitondra marary , fa tonga dia nentiny nivoaka ilay marary fa ho an’ny amin‘ny Hopitaly privé hono fa ela loatra raha mbola ho an‘ny amin’ny Hopitaly Be , sady tsy nanao décharge ihany koa ity farany.
Ny zava- nisy anefa hot ihany ny mpitsabo dia Bajaj no nitondran’ireo fianakavian’ilay marary azy ho an’ny amin’ny Hopitaly privé , Ary napetraka ilay marary fa tsy nampatoriana nefa efa  » en cas choqué » izany hoe efa be loatra ny rà ( lio) very.
Nanamafy ihany koa ny Talen’ity Hopitaly ity nandritra ny fanazavana nentiny fa tsy marina ny Filazana fa raha tsy manambola ny marary tonga ao amin’ny CHU Tanambao Antsiranana dia tsy misy miraharaha hany ka Maty no iafarana. Efa manana kits D’urgence permanent ity Hopitaly ity izay vatsian’ny mpitondra fanjakana, fa saingy tsy tompon’ny Aina ny mpitsabo hoy ihany ny fanazavany.
✍️Sela Fanambarana.

Related Post

𝐅𝐈𝐇𝐀𝐍𝐀𝐇𝐀𝐍`𝐍𝐘 𝐕𝐈𝐇/𝐒𝐈𝐃𝐀 𝐄𝐓𝐎 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀

Posted by - février 20, 2024 0
𝐅𝐈𝐇𝐀𝐍𝐀𝐇𝐀𝐍`𝐍𝐘 𝐕𝐈𝐇/𝐒𝐈𝐃𝐀 𝐄𝐓𝐎 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀 – 𝐍𝐢𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐚𝐭𝐫𝐢𝐤𝐚𝐬𝐚 𝐧𝐚𝐧𝐚𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐨𝐦𝐛𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐞𝐥𝐚𝐛𝐞𝐥𝐚𝐫𝐚𝐧~𝐤𝐞𝐯𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐦𝐨𝐦𝐛𝐚 𝐧𝐲 𝐚𝐝𝐲 𝐚𝐭𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧`𝐧𝐲 𝐚𝐫𝐞𝐭𝐢-𝐦𝐢𝐟𝐢𝐧𝐝𝐫𝐚 𝐢𝐭𝐲  …