ONIVERSITEAN’I FIANARANTSOA: NAMOKATRA PROFESORA IRAY INDRAY.

29 0
Mitombo isa hatrany ny profesora eo anivon’ny Oniversitean’i Fianarantsoa. Nahatontosa ny thèse de soutenance HDR (Habilité à Diriger des Recherches), tao amin’ny efitranon’ny Amphithéâtre EMIT Andrainjato, tamin’ity Talata 9 Jolay 2024, ny Talean’ny EMIT( Ecole de Management et d’Innovation Technologie) , docteur RAKOTONIRAINY Hasina Lalaina. »
Modélisation et simulation des socio- eco-système: approche et outils » no lohahevitry ny fikarohana nataony, izay nazahoany ny marimpahaizana ambony amin’ny haitao ara-kajy mirindra (diplôme HDR en informatique) . Notolorana ny épitoge barety efatra moa ny tenany.
Navoitrany fa azo itondrana fampandrosoana ny firenena tsara ny teknolojia. Tanjona ny hamokarana fitaovana isan-karazany hahafahana manao ny modélisation ( na fanaovana anaty solosaina ny zavatra misy rehetra,amin’ny andavanandron’ny olombelona anaty fiaraha-monina, ka ny logiciels na agents no manatanteraka ny asa amin’ny alalan’ny intelligence artificielle ( fiarovana ny ala, fahasalamana,fiovaovan’ny toetr’andro,sns… .
Tsy teto Madagasikara irery ihany, fa hatrany ampitan-dranomasina no nanaovana ny fikarohana. Ary misy tamin’ireo mpitsara (membres de jury) no avy any ivelany.

Related Post

Asa sosialy sahanin’ny Fikambanana AFF

Posted by - février 4, 2024 0
𝐅𝐈𝐊𝐀𝐌𝐁𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐘 𝐒𝐘 𝐅𝐎𝐓𝐎𝐓𝐑𝐀 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐒𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐄𝐓𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐁𝐎𝐑𝐈𝐁𝐎𝐑𝐈𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀𝟐 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐌𝐈𝐍𝐈𝐒𝐓𝐄𝐑𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀𝐒𝐀𝐋𝐀𝐌-𝐁𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀 Tafiditra ao anatin’ny Asa sosialy…