Manana toerana sy faritra arovana maro tokoa i Madagasikara.
Mba ahafahana miaro ireo faritra atiala arovana aty amin’ny tapany avaratry ny Nosy dia nisy dinikasa notanterahina tao Ambilobe izay notarihin’ny:
- Governora ny Faritra SAVA andriamatoa Teddy Gervais Seramila
- Governora ny Faritra SOFIA andriamatoa #Jeneraly_Lylyson
- Governora ny Faritra DIANA Andriamatoa Taciano Rakotomanga
sy ireo talem-paritry ny Tontolo iainana, Jono , Fambolena sy ny fiompiana.
Nivoitra nandritra ity Atrikasa ity ireto fehin-kevitra manaraka ireto :
-Hampitomboana ny fanampiana atao amin’ireo Kaominina manodidina ireo Alafady,
-Hampitombona ny mpiaro-ala (Agent Forestier) mba ahafana manamora ny fanenjehana ireo mpanimba ala,
-Foanana ny fanomezan-dalana manokana ireo mpitevy ala ary hamafisina ny sazy hoan’izay minia miditra ao anaty ala arovana,
-Arahahimaso akaiky ireo vahiny miditra sy mivoaka isaky ny Kaominina amin’ny alalan’ny fanamafisana ny Karine hoan’ny vahiny indrindra ny fanentanana azy ireo hanaja ireo fomban-tany sy dinam-piaraha-monina.
-Hanavaozana ny làlana fanafoanana ny tetikala sy fanafaizana mafy ireo mpanao izany fa indrindra ny hanomezana ampahany betsaka amin’ny famatsiana ara-bola ireo Fokontany sy Kaominina ary fametrahana « garde forêt » .