FONJABEN’ ANTANIMORA: MIROSO AMIN’NY FIOFANANA ARAK’ASA NY VEHIVAVY.

557 0
⚖️FONJABEN’ ANTANIMORA: MIROSO AMIN’NY FIOFANANA ARAK’ASA NY VEHIVAVY. NANOLOTRA FITAOVANA HO ENTI-MIATRIKA IZANY NY MINISITRA RANDRIAMANANTENASOA LANDY MBOLATIANA.
📌Talata 20 Febroary 2024, notoloran’i Mpitahiry Fitombokaseam-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana fitaovana ho entina mianatra asan-tanana ireo voafonja vehivavy teto amin’ny Fonjamben’Antanimora mba hizaran’izy ireo asa ho fanomana azy ireo hiverina eny anivon’ny fiaraha-monina.
Fitaovana fanaovana volo (brushings,brosses,produits…), Lafaoro ary misinina fanjairana no notolorana azy ireo.
⭕Ao anatin’ny vaindohan-draharahan’ny Minisiteran’ny Fitsarana ny fanomanana ny fiverenan’ny voafonja ho tonga olom-banona eo anivony fiaraha-monina. Nandritra ny lahateniny, ny Minisitry dia nanamafy fa tsy fanafaizana fotsiny ihany ny fonja fa natao indrindra ihany koa hampianatra sy hanarina an’ireo voafonja mba tsy ho vesatra eo anivon’ny fiaraha-monina (réinsertion sociale).
◽Rehefa tapitra moa ny fiofanana dia hahazo mari-pahaizana na « Attestation de réussite » izay rehetra mahavita ny fiofanana.
Izao fanofanana izao dia ho tanterahana any amin’ny fonja hafa raha ny nambaran’ny Minisitra RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.
 
Related Post

𝔽𝕀𝕋𝕊𝔸ℝ𝔸ℕ𝔸, ℕ𝕐 𝕆𝕃𝔸ℕ’ℕ𝕐 𝔹𝕆𝕂𝕐 ℝ𝕆𝕍𝕀𝕋ℝ𝔸

Posted by - avril 17, 2024 0
𝐀𝐨 𝐚𝐧𝐚𝐭𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐞𝐳𝐚𝐤𝐚 𝐢𝐳𝐚𝐲 𝐢𝐦𝐚𝐬𝐨𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐭𝐞𝐫𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐫𝐚𝐟𝐢-𝐩𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐡𝐚𝐤𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐨𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚𝐧-𝐭𝐚𝐧𝐲, 𝐢𝐧𝐝𝐫𝐢𝐧𝐝𝐫𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐢𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐲…