NIDOBOKA AM-PONJA ENY TSIAFAHY ILAY MPAMILY NAHAFATY OLONA TETSY MAHAMASINA

130 0
 
✅️ Naiditra am-ponja vojimaika eny Tsiafahy ilay mpamily fiara fitateram-bahoaka nandona ka nahafaty mpitondra moto iray tetsy Mahamasina ny alin’ny asabotsy 20 janoary lasa teo.
 
✅️ Nandritra ny fanadihadiana no nahafantarana fa nisy ny disadisa teo amin’ilay mpamily sy mpitondra moto miisa 04 satria voakasik’ity farany ny iray tamin’izy ireo .
 
Nisy ny fifanenjahana ka ny iray tamin’ireo mpitondra moto no nibahana teo alohan’ilay fiara fitateram-bahoaka mba hijanonany. Tsy nijanona anefa ilay mpamily fa vaomaika nandona sy nanitsaka ka niafara tamin’ny fahafatesan’ilay zazalahy .
 
🚨 Natolotra ny fampanoavana androany alarobia 24 janoary ny raharaha ka izao izy nidoboka am-ponja izao.

Related Post

𝗦𝗢𝗟𝗢𝗠𝗕𝗔𝗩𝗔𝗠𝗕𝗔𝗛𝗢𝗔𝗞𝗔 𝗩𝗢𝗔𝗙𝗜𝗗𝗬 𝗧𝗔𝗢 𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗗𝗜𝗦𝗧𝗥𝗜𝗞𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗠𝗔𝗛𝗔𝗕𝗢 𝗡𝗜𝗭𝗔𝗥𝗔 𝗙𝗜𝗧𝗔𝗢𝗩𝗔𝗠𝗣𝗜𝗔𝗡𝗔𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗛𝗢 𝗔𝗡’𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗠𝗣𝗜𝗔𝗡𝗔𝗧𝗥𝗔 𝗔𝗢 𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗞𝗔𝗢𝗠𝗜𝗡𝗜𝗡𝗔 𝟭𝟮 𝗠𝗔𝗡𝗗𝗥𝗔𝗙𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗡𝗬 𝗗𝗜𝗦𝗧𝗥𝗜𝗞𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗠𝗔𝗛𝗔𝗕𝗢

Posted by - septembre 12, 2024 0
𝙷𝚘 𝚏𝚊𝚗𝚊𝚖𝚊𝚏𝚒𝚜𝚊𝚗𝚊 𝚗𝚢 𝚙𝚘𝚕𝚒𝚝𝚒𝚔𝚊𝚗’𝚗𝚢 𝚏𝚊𝚗𝚓𝚊𝚔𝚊𝚗𝚊 𝚏𝚘𝚒𝚋𝚎 𝚜𝚢 𝚑𝚘 𝚏𝚊𝚗𝚊𝚖𝚙𝚒𝚊𝚗𝚊 𝚗𝚢 𝚛𝚊𝚢 𝚊𝚖𝚊𝚗-𝚍𝚛𝚎𝚗𝚢 𝚊𝚖𝚒𝚗’𝚒𝚣𝚊𝚘 𝚏𝚒𝚍𝚒𝚛𝚊𝚗’𝚗𝚢 𝚖𝚙𝚒𝚊𝚗𝚊𝚝𝚛𝚊 𝚒𝚣𝚊𝚘 𝚊𝚛𝚢 𝚑𝚘 𝚏𝚊𝚖𝚙𝚘𝚛𝚒𝚜𝚒𝚑𝚊𝚗𝚊 𝚒𝚛𝚎𝚘…