NIDOBOKA AM-PONJA ENY TSIAFAHY ILAY MPAMILY NAHAFATY OLONA TETSY MAHAMASINA

211 0
 
✅️ Naiditra am-ponja vojimaika eny Tsiafahy ilay mpamily fiara fitateram-bahoaka nandona ka nahafaty mpitondra moto iray tetsy Mahamasina ny alin’ny asabotsy 20 janoary lasa teo.
 
✅️ Nandritra ny fanadihadiana no nahafantarana fa nisy ny disadisa teo amin’ilay mpamily sy mpitondra moto miisa 04 satria voakasik’ity farany ny iray tamin’izy ireo .
 
Nisy ny fifanenjahana ka ny iray tamin’ireo mpitondra moto no nibahana teo alohan’ilay fiara fitateram-bahoaka mba hijanonany. Tsy nijanona anefa ilay mpamily fa vaomaika nandona sy nanitsaka ka niafara tamin’ny fahafatesan’ilay zazalahy .
 
🚨 Natolotra ny fampanoavana androany alarobia 24 janoary ny raharaha ka izao izy nidoboka am-ponja izao.

Related Post

SAKARAHA SALAMA

Posted by - octobre 3, 2024 0
Niainga avy eto Sakaraha ny sidina voalohany amin’ny Drone nampitondraina Fanafody fanefitra (Vaccin), hoan’ireo CSB II any amin’ireo Kominina ato…