Tsy kandida i Tojo RAVALOMANANA raha tsy nisy « ordonnance »

59 0
Tsy kandida i Tojo RAVALOMANANA raha tsy nisy ordonnance hoy ny teo anivon’ny CENI androany manoloana ny resabe sy fanakihanana manodidina ny resaka ordonnance ka nilazana fa tsy nakana ny hevitr’ireo mpisehatra amin’ny fifidianana.
Ny filoha teo aloha Marc RAVALOMANANA sy solombavambahoaka sasantsasany mihintsy aza no anisany tonga teny amin’ny Ceni nametraka taratasy fa tokony ekena ny hampidirana ireo olona tokony hifidy amin’ny alalan’ny ordonnance handray anjara amin’ny fifidianana hoy hatrany teo anivon’ny CENI.
Ny Ceni ihany no manana ny lisitr’ ireo olona nahazo ordonnance fa tsisy antoko politika manana izany ka antony tsy naneken’izy ireo hanao fampitahana sady tsy voalazan’ny lalàna ny tokony hanaovana izany.
 Mbola nanamafy ihany koa ny teo anivon’ny CENI androany fa tsy nitory an’i Jean Luce fa plainte contre x no nataon’izy ireo noho ny piratage nahazo ny site.
 Nanaovan’izy ireo plainte contre x ihany koa ireo fanaratsiana sy fanasoketana ary fandrahonana olona ao amin’ny CENI ary tsy hisintona ny fitoriany mihintsy izy ireo.
Akoatr’izay, miantso fitoniana eo am-piandrasana ny voka-pifidianana ofisialy ity vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana ity ary miantso ny hanatsaharana ny fanaratsiana be fahatany sy fanaovana ramatahora ihany koa .
Nangonin’i M.Elvina

Related Post

𝑫𝒓 𝑬𝒅𝒎𝒐𝒏𝒅 (𝑬𝒅1) : 𝑭𝑰𝑻𝑰𝑨𝑽𝑨𝑵- 𝑻𝑨𝑵𝑰𝑵𝑫𝑹𝑨𝒁𝑨𝑵𝑨 𝑵𝑶 𝑵𝑨𝑵𝑶𝑺𝑰𝑲𝑨 𝑨𝑯𝒀 𝑯𝑨𝑵𝑶𝑹𝑰𝑵𝑨 𝑻𝑶𝑩𝑰𝑵’𝑵𝒀 𝒁𝑨𝑵𝑫𝑨𝑹𝑰𝑴𝑨𝑹𝑰𝑨

Posted by - décembre 4, 2023 0
𝑫𝒓 𝑬𝒅𝒎𝒐𝒏𝒅 (𝑬𝒅1) : 𝑭𝑰𝑻𝑰𝑨𝑽𝑨𝑵- 𝑻𝑨𝑵𝑰𝑵𝑫𝑹𝑨𝒁𝑨𝑵𝑨 𝑵𝑶 𝑵𝑨𝑵𝑶𝑺𝑰𝑲𝑨 𝑨𝑯𝒀 𝑯𝑨𝑵𝑶𝑹𝑰𝑵𝑨 𝑻𝑶𝑩𝑰𝑵’𝑵𝒀 𝒁𝑨𝑵𝑫𝑨𝑹𝑰𝑴𝑨𝑹𝑰𝑨 Hoy ny 𝑫𝒓 𝑹𝑨𝑲𝑶𝑻𝑶𝑴𝑨𝑳𝑨𝑳𝑨 𝑬𝒅𝒎𝒐𝒏𝒅, Mpikaroka Raokandro Malagasy,…
Inona no azo hanampiana anao?