๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐โ๐ ๐๐๐๐๐๐๐ ๐
๐๐๐๐๐๐โ๐๐ ๐
๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐
๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐โ๐๐ ๐๐๐๐๐๐-๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐ ๐๐๐๐โ๐๐ ๐
๐๐ ๐๐๐๐๐๐
๐๐๐
Maso niara-nijery satria nibaribary tahaka ny tafika andrefan-tanana ny fahasimbana nisy taminโny Biraom-pokontany teto Tsarafara, nohonโny fahaterany izay efa ela dia ela tokoa no nampiasaina azy ity, ary Filoham-pokontany maro no efa nifandimby nitantanana izany Biraom-pokontany izany.
Fantatra ihany koa fa anisanโny Fokontany be Mponina indrindra ato aminโny Kaominina Sabotsy Namehana izany Fokontany Tsarafara izany
Noho izany indrindra, dia nanao ezaka fitia tsy mba hetra ny mponina, ary nangonina izany, dia nomena ny Kaominina Sabotsy Namehana, izay nameno ny banga rehetra, ka nahavitana nanova y endriky ny Biraom-pokontany aminโizao endriny vaovao izao.
Tonga nitarika ity lanonam-panokafana ity ny Benโny Tanana (teo aloha) izay efa voafidy ho solombavambahoakanโi Madagasikara ANDRIAMOSA Avotraina, notroninโireo Mpiara-miasa akaiky aminy. Tonga nanome Voninahitra izany koa ny lehibenโny Boriboritany eto aminโny Kaominina Sabotsy Namehana. Ary tsy diso anjara ihany koa ny Ramatoa Filohanโny Fokontany sy ny Mponinโny FKT Tsarafara rehetra.
Nandritra ny lahateny nifandibiasana no nilazanโAndriamatoa Solombavambahoaka, fa rehefa samy manao ny ezaka vitany ny tsirairay, dia mivaingana ny asa, ary hapetraka ho lovain-jafy.
Nankasitraka izao fanomezana foto-drafitrโasa hoanโny daholobe izao ny Filohanโny Fokontany, izay nisolontena ny vahoaka manontolo, ary nilaza mazava fa hitandro toy ny anankadriamaso ity Birao vao avy nohavaozina ity, indrindra fa ny lalan-tsaina entina-miasa ao anatiny.